lundi 14 août 2017

Alatsinainy 14 Aogositra 2017 - Sal 118 : 5 - 18

5Tao an-katerena aho no niantso ny TOMPO,
ka novaliany aho, nomeny halalahana.
6Miandany amiko IZY ka tsy hatahotra aho;
hahavita inona amiko ny olombelona118.6 Voatsiahy ao amin'ny Heb 13.6 ity and ity.?
7Miandany amiko ny TOMPO ka manampy ahy;
ireo mpankahala ahy hitako fa resiny.
8Aleo mialoka amin'ny TOMPO
toy izay mialoka amin'ny olombelona;
9aleo mitoky amin'ny TOMPO
toy izay mitoky amin'ny mpifehy.

10Nanodidina ahy avokoa ireo hafa firenena,
fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.
11Nitangorona tamiko ireo, indray nanarona ahy,
fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.
12Nanodidina ahy toa renitantely ireo,
kanjo nalaky maty toy ny afo-mololo,
fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.

13Natosik'ireo aho mba ho lavo,
fa ny TOMPO no nanampy ahy.
14Ny TOMPO no heriko sy reharehako,
satria Izy no mampandresy ahy118.14 Jereo Eks 15.2; Is 12.2..

15Feo fihobiana sy horakora-pandresena
no ao an-dain'ny olona afaka:
«Naneho hery ny tanan'ny TOMPO,
16nanandratra anay ny tanan'ny TOMPO,
naneho hery ny tanan'ny TOMPO.»

17Tsy ho faty aho fa ho velona
mba hitanisa ny asan'ny TOMPO.
18Nofaizin'ny TOMPO tokoa aho,
kanefa tsy nafoiny ho faty118.18 Jereo 2Kôr 6.9..

dimanche 13 août 2017

Alahady 13 Aogositra 2017 - Dan 3 : 19 - 30

19Dia feno fahatezerana i Nebokadnetsara ka niova endrika tamin'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Nasainy nafanaina impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. 20Ary ireo lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao sy nanipy azy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay. 21Avy hatrany dia nafatotra niaraka tamin'ny lobany sy patalohany ary akanjony sy satrony ireo lehilahy ireo, ka natsipy tao amin'ny lafaoro misy afo mivaivay3.21 Tsy azo antoka ny famantarana ny anaran'ireo karazam-pitafiana voalaza eto.. 22Ary satria hentitra ny tenin'ny mpanjaka dia voafana izaitsizy ny lafaoro, ka matin'ny lelafo mbamin'ny miaramila izay nanipy an'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. 23Fa izy telo lahy ireto kosa dia voatsipy am-patorana tao amin'ny lafaoro misy afo mivaivay3.23 Ny dkt tranainy grika eto dia manampy ny vavak'i Hazarià (and 24-45) sy ny hiran'ny sakaizan'i Daniela telo lahy (and 46-90)..

24Talanjona anefa i Nebokadnetsara ka nitsangana faingana, ary nanontany ireo mpanolotsainy hoe:
–Moa tsy lehilahy telo mifatotra va no natsipintsika tao anaty afo?

Dia hoy ny navalin'ireo3.24 Amin'ny dkt sasany, ny and 24-33 dia mitondra ny laharana 90-100 (jereo ny naoty eo aloha).:
–Izany tokoa, ry mpanjaka!

25Ary hoy indray ny mpanjaka:
–Koa nahoana àry aho no mahita lehilahy efatra tsy mifatotra, mandehandeha ao anaty afo, nefa tsy misy maratra akory; sady ilay fahefatra dia mitovy endrika amin'ny zanak'ireo andriamanitra?

26Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnetsara ka niantso hoe:
–Ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra ô, mivoaha tao ianareo ka avia atỳ!

Niaraka tamin'izay dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. 27Dia nitangorona ireo solotenan'andriamanjaka sy ny mpifehy faritany ary ny governora sy ireo mpanolotsain'ny mpanjaka mba hijery ireo lehilahy ireo; ka hitany fa tsy nampaninona ny tenan'izy ireo akory ny afo, tsy may ny volon-dohany, tsy simba ny fitafiany sady tsy maimbo afo akory.

28Dia loa-bolana i Nebokadnetsara ka nanao hoe:
–Hisaorana anie Andriamanitr'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; naniraka ny anjeliny* manko Izy mba hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, ka nandika ny baiko nataoko. Fa naleon'ireo kosa nanolo-tena hampijalina toy izay hanompo sy hitsaoka andriamani-kafa ankoatra ilay Andriamaniny. 29Noho izany dia mamoaka izao didy izao ho an'ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra aho hoe: «Izay manao teny tsy voahevitra ny amin'ny Andriamanitr'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao dia hotetitetehina ary hatao fanariam-pako ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.»

30Dia nasandratry ny mpanjaka i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ho amin'ny toerana ambony noho ny teo aloha3.30 Dkt hafa Taorian'izany dia naverin'ny mpanjaka tamin'ny toerany teo aloha i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. tao amin'ny faritanin'i Babilôna.

samedi 12 août 2017

Sabotsy 12 Aogositra 2017 - Job 42 : 10 - 17

10Rehefa avy nivavaka ho an'ireo namany i Jôba, dia naverin'ny TOMPO hanan-karena indray42.10 hanan-karena indray: jereo Jôb 1.1-3. ary nomeny indroan'izay rehetra nananany fahiny aza. 11Dia tonga namangy an'i Jôba avokoa ny rahalahiny sy ny anabaviny mbamin'ny olom-pantany fahiny, ka niara-nihinana taminy tao an-tranony. Naneho fiombonana taminy koa ireo sady nampionona azy noho ny loza rehetra nalefan'ny TOMPO taminy. Ary samy nanolotra fanomezana vola kesita42.11 kesita iray: ny teny ampiasaina eto (sy ao amin'ny Gen 33.19; Jos 24.32) dia manondro fa ny teti-bidin'io vola io dia mitovy amin'ny vidin'ny ondrivavy iray. iray sy rojo volamena iray avy ho azy izy rehetra.

12Nandritra ny taona sisa niainan'i Jôba, dia heniky ny fitahian'ny TOMPO mihoatra noho ny taloha izy, fa nanana ondry 14000, rameva enina arivo, omby miasa roa arivo ary borikivavy arivo izy. 13Nanan-janakalahy fito ary zanakavavy telo koa izy, 14ka ny vavimatoa nataony hoe Jemimà, ny vaviaivo Ketsihà ary ny faravavy Kerena-Hapòka42.14 Izany hoe domohina, vonin-kanelina ary manja-maso.. 15Tao amin'ny tany iray manontolo dia tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin'i Jôba. Ary samy nomen-drainy ny anjara lovany tahaka ireo anadahiny avy izy.

16Taorian'izany dia mbola velona efapolo amby zato taona i Jôba ka nahita ireo zanany sy zafikeliny hatramin'ny zafindohaliny. 17Dia maty i Jôba rehefa ela niainana ka tratrantitra.

vendredi 11 août 2017

Zoma 11 Aogositra 2017 - II Tim 2 : 8 - 13

8Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin'ny taranak'i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly* torîko. 9Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin'Andriamanitra tsy mba voagadra. 10Izany no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo olomboafidin'Andriamanitra, mba hahazoan'ireo koa famonjena, dia ilay ao amin'i Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra maharitra mandrakizay. 11Azo antoka izao teny izao:

«Raha niara-maty tamin'i Kristy isika,
dia hiara-belona aminy koa;
12raha miaritra ny mafy isika,
dia hiara-manjaka aminy koa;
fa raha lavintsika Izy,
dia mba holaviny koa isika;
13raha mivadika aminy isika,
Izy dia mahatoky hatrany
satria tsy afa-mandà ny tenany»

jeudi 10 août 2017

Alakamisy 10 Aogositra 2017 - Jos 21 : 41 - 45

41Ny tanàna rehetra azon'ny Levita teo anivon'ny tanin'ny Israelita hafa dia 48 no isany. 42Ireo tanàna rehetra ireo dia samy manana ny kijàna manodidina azy avy.

43Nomen'ny TOMPO ho an'ny Israelita ny tany manontolo, izay efa nianianany homena ny razambeny: dia azony ho fananany tokoa izany ka nonenany. 44Nampisy fandriam-pahalemana ho azy koa ny TOMPO tamin'ny sisin-tany manodidina azy, araka ny fianianana rehetra efa nataony tamin'ny razambeny. Nampandresen'ny TOMPO ireo fahavalony rehetra izy ka tsy nisy nahatohitra azy mihitsy ireny na iray aza. 45Tanteraka avokoa ny zava-tsoa rehetra nambaran'ny TOMPO tamin'ny Israelita fa tsy nisy latsaka.

mercredi 9 août 2017

Alarobia 09 Aogositra 2017 - II Tim 4 : 6 - 8

6Fa izaho moa dia efa halatsa-dra ho sorona araraka, efa mby akaiky ny fotoanandro hialako amin'izao fiainana izao. 7Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon'ny fihazakazahana, voatanako ny finoana4.7 voatanako ny finoana: raisin'ny sasany hoe voatanako ny toky nomeko. . 8Ka ny miandry ahy izao dia ny satroboninahi-pandresena natokana ho an'izay manao ny marina. Ny Tompo, ilay mpitsara ara-drariny, dia hanome ahy izany satroboninahi-pandresena izany amin'ny andro fitsarana; ary tsy izaho ihany no homeny izany, fa izay rehetra miandry am-pitiavana ny hisehoany koa.

mardi 8 août 2017

Talata 08 Aogositra 2017 - Gen 3 : 7 - 10

7Dia nahiratra ny mason'izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy. Ary nanjaitra ravin'aviavy izy roa ka nataony sikina ho azy.

8Ary nony hariva, rehefa nitsoka ny rivotra, dia nandre ny feon'ny TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao an-jaridaina ralehilahy sy ny vadiny ka niery ny tavany tao anaty hazo.

9Niantso an-dralehilahy ny TOMPO Andriamanitra ka nanao taminy hoe:
–Aiza moa ianao?

10Dia namaly izy hoe:
–Nandre ny feonao tao an-jaridaina aho, dia natahotra fa mitanjaka, koa dia niery.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12