dimanche 13 août 2017

Alahady 13 Aogositra 2017 - Dan 3 : 19 - 30

19Dia feno fahatezerana i Nebokadnetsara ka niova endrika tamin'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Nasainy nafanaina impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. 20Ary ireo lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao sy nanipy azy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay. 21Avy hatrany dia nafatotra niaraka tamin'ny lobany sy patalohany ary akanjony sy satrony ireo lehilahy ireo, ka natsipy tao amin'ny lafaoro misy afo mivaivay3.21 Tsy azo antoka ny famantarana ny anaran'ireo karazam-pitafiana voalaza eto.. 22Ary satria hentitra ny tenin'ny mpanjaka dia voafana izaitsizy ny lafaoro, ka matin'ny lelafo mbamin'ny miaramila izay nanipy an'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. 23Fa izy telo lahy ireto kosa dia voatsipy am-patorana tao amin'ny lafaoro misy afo mivaivay3.23 Ny dkt tranainy grika eto dia manampy ny vavak'i Hazarià (and 24-45) sy ny hiran'ny sakaizan'i Daniela telo lahy (and 46-90)..

24Talanjona anefa i Nebokadnetsara ka nitsangana faingana, ary nanontany ireo mpanolotsainy hoe:
–Moa tsy lehilahy telo mifatotra va no natsipintsika tao anaty afo?

Dia hoy ny navalin'ireo3.24 Amin'ny dkt sasany, ny and 24-33 dia mitondra ny laharana 90-100 (jereo ny naoty eo aloha).:
–Izany tokoa, ry mpanjaka!

25Ary hoy indray ny mpanjaka:
–Koa nahoana àry aho no mahita lehilahy efatra tsy mifatotra, mandehandeha ao anaty afo, nefa tsy misy maratra akory; sady ilay fahefatra dia mitovy endrika amin'ny zanak'ireo andriamanitra?

26Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnetsara ka niantso hoe:
–Ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra ô, mivoaha tao ianareo ka avia atỳ!

Niaraka tamin'izay dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. 27Dia nitangorona ireo solotenan'andriamanjaka sy ny mpifehy faritany ary ny governora sy ireo mpanolotsain'ny mpanjaka mba hijery ireo lehilahy ireo; ka hitany fa tsy nampaninona ny tenan'izy ireo akory ny afo, tsy may ny volon-dohany, tsy simba ny fitafiany sady tsy maimbo afo akory.

28Dia loa-bolana i Nebokadnetsara ka nanao hoe:
–Hisaorana anie Andriamanitr'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; naniraka ny anjeliny* manko Izy mba hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, ka nandika ny baiko nataoko. Fa naleon'ireo kosa nanolo-tena hampijalina toy izay hanompo sy hitsaoka andriamani-kafa ankoatra ilay Andriamaniny. 29Noho izany dia mamoaka izao didy izao ho an'ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra aho hoe: «Izay manao teny tsy voahevitra ny amin'ny Andriamanitr'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao dia hotetitetehina ary hatao fanariam-pako ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.»

30Dia nasandratry ny mpanjaka i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ho amin'ny toerana ambony noho ny teo aloha3.30 Dkt hafa Taorian'izany dia naverin'ny mpanjaka tamin'ny toerany teo aloha i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. tao amin'ny faritanin'i Babilôna.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12