samedi 12 août 2017

Sabotsy 12 Aogositra 2017 - Job 42 : 10 - 17

10Rehefa avy nivavaka ho an'ireo namany i Jôba, dia naverin'ny TOMPO hanan-karena indray42.10 hanan-karena indray: jereo Jôb 1.1-3. ary nomeny indroan'izay rehetra nananany fahiny aza. 11Dia tonga namangy an'i Jôba avokoa ny rahalahiny sy ny anabaviny mbamin'ny olom-pantany fahiny, ka niara-nihinana taminy tao an-tranony. Naneho fiombonana taminy koa ireo sady nampionona azy noho ny loza rehetra nalefan'ny TOMPO taminy. Ary samy nanolotra fanomezana vola kesita42.11 kesita iray: ny teny ampiasaina eto (sy ao amin'ny Gen 33.19; Jos 24.32) dia manondro fa ny teti-bidin'io vola io dia mitovy amin'ny vidin'ny ondrivavy iray. iray sy rojo volamena iray avy ho azy izy rehetra.

12Nandritra ny taona sisa niainan'i Jôba, dia heniky ny fitahian'ny TOMPO mihoatra noho ny taloha izy, fa nanana ondry 14000, rameva enina arivo, omby miasa roa arivo ary borikivavy arivo izy. 13Nanan-janakalahy fito ary zanakavavy telo koa izy, 14ka ny vavimatoa nataony hoe Jemimà, ny vaviaivo Ketsihà ary ny faravavy Kerena-Hapòka42.14 Izany hoe domohina, vonin-kanelina ary manja-maso.. 15Tao amin'ny tany iray manontolo dia tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin'i Jôba. Ary samy nomen-drainy ny anjara lovany tahaka ireo anadahiny avy izy.

16Taorian'izany dia mbola velona efapolo amby zato taona i Jôba ka nahita ireo zanany sy zafikeliny hatramin'ny zafindohaliny. 17Dia maty i Jôba rehefa ela niainana ka tratrantitra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12