lundi 15 mars 2021

Alatsinainy 15 Martsa 2021 - Jak 1 : 1 - 18

 1Avy amiko Jakôba ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’Andriamanitra sady mpanompon’i Jesoa Kristy Tompo. Miarahaba anareo vahoakan’Andriamanitra rehetra miely patrana eran-tany aho.

Finoana sy fahendrena

2Ry havako, ataovy ho tretrika tokoa ny tenanareo raha ifandafaran’ny fitsapana samihafa; 3satria fantatrareo fa ny fisedrana ny finoanareo dia mahatonga faharetana. 4Ary aoka ny faharetanareo homban’asa tanteraka mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy ho orin-javatra na amin’inona na amin’inona. 5Kanefa raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra fa homeny; satria manome malalaka ho an’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy mba mandatsa. 6Tsy maintsy mino tsara anefa izy rehefa mangataka, fa tsy hiahanahana; satria izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina tsofin’ny rivotra sy atopatopany. 7Aoka tsy hanampo handray zavatra avy amin’ny Tompo ny olona toy izany, 8fa miroa saina sady mivadibadika amin’ny fiaimpiainany rehetra.

Ny fahantrana sy ny harena

9Aoka Andriamanitra manandratra azy no hataon’ny havana mahantra ho reharehany; 10ary aoka Andriamanitra mampietry azy no hataon’ny havana mpanankarena ho reharehany, satria hihelina toy ny vonin’ireo ahitra eny an-tsaha ny mpanankarena. 11Eny, niposaka ny masoandro ombàn’ny hafanana migaingaina, dia nampalazo ny ahitra; ka nihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Dia toy izany koa ny mpanankarena: ho levona eo anivon’ny lahasany izy.

12Sambatra ny olona izay maharitra ny fitsapana; fa rehefa voasedran’izany izy, dia ny fiainana efa nampanantenain’Andriamanitra ireo tia Azy no horaisiny ho satroboninahi-pandresena. 13Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: «Andriamanitra no maka fanahy ahy»; satria tsy mba mety alaim-panahy hanao ratsy Andriamanitra sady tsy mba maka fanahy olona. 14Fa samy alaim-panahy ny olona, rehefa mitaona azy sy mitady hamandrika azy ny filàndratsiny; 15ka rehefa eken’ny olona ny filàndratsy, dia miteraka ota; ary rehefa mahazo bahana tanteraka ny ota, dia miteraka fahafatesana ara-panahy.

16Aza mamita-tena, ry havako malala: 

samedi 13 mars 2021

Sabotsy 13 Martsa 2021 - Mpit 3 : 1 - 5

 1Ireo firenen-kafa ireo moa no navelan’ny TOMPO haharitra teo amin’ny tany dia mba hizahany toetra ny Israelita rehetra izay tsy mbola nandray anjara tamin’ny ady nahazoana an’i Kanahàna; 2tian’ny Tompo mba hianatra hiady manko ny taranaka vaovao izay tsy mbola nahalala ady. 3Koa ireto avy àry ireo firenen-kafa ireo: ny mponina tamin’ny fanjakana dimin’ny Filistinina, ny Kanahanita rehetra, ny Tsidônianina, ary ny Hivita izay nipetraka tany amin’ny tendrombohitra Libano, manomboka hatreo an-tendrombohitra Bahala-Hermôna ka hatrany Lebô-Hamata. 4Ireo no nizahan’ny TOMPO toetra ny Israelita mba hahafantarany na hankatò ny didy izay nomeny ny razany tamin’ny alalan’i Mosesy izy na tsia. 5Toy izany no nahatonga ny Israelita honina teo anivon’ny Kanahanita sy ny Hetita ary ny Amôrita mbamin’ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

vendredi 12 mars 2021

Zoma 12 Martsa 2021 - Heb 11 : 17 - 19

 17Finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Itsehàka ho sorona, fony i Abrahama nozahan’Andriamanitra toetra. Kanefa nivonon-kanao sorona ny zanany lahitokana i Abrahama, dia izy nanaovan’Andriamanitra teny fampanantenana 18sy nilazany hoe: «Avy amin’i Itsehàka no hiantsoana taranaka ho anao.» 19Noheverin’i Abrahama fa Andriamanitra dia mahay manangana an’i Itsehàka avy any amin’ny maty; ka dia noraisin’i Abrahama indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.

jeudi 11 mars 2021

Alakamisy 11 Martsa 2021 - Job 1 : 13 - 22

 13Indray andro raha nihinana sy nisotro tao an-tranon-jokiny lahimatoa ireo zanak’i Jôba, 14dia nisy iraka tonga tany amin’i Jôba nilaza taminy hoe: «Raha teo am-piasàna iny indrindra ny omby ary raha nihinana teo akaikiny ny borikivavy, 15dia nidinan’ny Sabeanina tampoka ka norobainy; novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ny mpanomponao, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»

16Fa raha tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia nisy iray hafa koa tonga nilaza hoe: «Nilatsaham-potaka ny ondry aman’osy sy ny mpiandry azy ka levona, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»

17Fa raha tsy mbola tapitra akory ny tenin’io? dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: «Nasian’ny andian-jiolahy kaldeanina telo toko ny rameva ka norobainy; novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ny mpanomponao. Izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»

18Fa raha tsy mbola tapitra koa ny teniny, dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: «Raha teo am-pihinanana sy teo am-pisotroana tao an-tranon-jokiny ireo zanakao, 19dia nifofofofo avy any an-taniefitra ny rambondanitra ka nipaoka ny zoron-trano efatra; maty nianjeran’ny trano tao avokoa ireo zatovo, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»

20Dia nitsangana i Jôba ka nandriatra ny fitafiany sy nanaratra ny lohany ary niampatra tamin’ny tany ka niankohoka 21sady nanao hoe:

Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny,

ary mitanjaka koa no hiverenako avy an-kibon’ny tany.

Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka.

Isaorana anie ny anaran’ny TOMPO.

22Tamin’izany fahoriana rehetra izany dia tsy mba nanota i Jôba ary tsy nanome tsiny an’Andriamanitra.

mercredi 10 mars 2021

Alarobia 10 Martsa 2021 - Jao 6 : 1 - 13

 1Taorian’izany, dia lasa i Jesoa nankeny ampitan’ny farihin’i Galilea (na hoe farihin’i Tiberiada). 2Nisy vahoaka maro nanaraka Azy, noho ny nahitan’izy ireo ny famantarana nataon’i Jesoa hanasoavana ny marary. 3Dia niakatra teo an-tendrombohitra ry i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany. 4Tamin’izay dia efa akaiky ny Paska, ilay fankalazana fanaon’ny Jiosy. 5Rehefa nanopy maso i Jesoa ka nahita fa nisy vahoaka maro nanatona Azy, dia nilaza tamin’i Filipo hoe:

–Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?

6Fizahan-toetra an’i Filipo no nilazan’i Jesoa izany, satria Izy nahalala rahateo izay efa hataony. 7Dia hoy i Filipo taminy:

–Na dia mofo mitentina denàry 200 aza, tsy ampy hahazoan’ny tsirairay sombiny kely akory!

8Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andrea rahalahin’i Simôna Petera, nilaza taminy hoe:

9–Misy zazalahy ao manana mofo ôrza dimy sy trondro madinika anankiroa; fa ho ampy inona izany amin’izao olona marobe izao?

10Dia hoy i Jesoa hoe:

–Asaovy mipetraka ny olona!

Noho ny fisian’ny ahitra be teo amin’ilay toerana, dia nipetraka ny olona ka tokony ho dimy arivo no isan’ny vatan-dehilahy. 11Tamin’izay i Jesoa no nandray ireo mofo ka nony avy nisaotra an’Andriamanitra dia nizara azy ho an’izay nipetraka hihinana; ary nozarainy toy izany koa ny trondro arakaraka izay nilain’ny mpihinana. 12Rehefa voky ny olona, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

–Angony ny tapa-mofo sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very!

13Dia nangonin’ireo mpianatra, ka nahafeno sobika 12 ny tapa-mofo avy amin’ny mofo ôrza dimy, dia izay sisa tsy lanin’ny nihinana.

mardi 9 mars 2021

Talata 09 martsa 2021 - I Tes 2 : 1 - 12

 1Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay tatỳ aminareo. 2Fantatrareo koa fa taloha kelin’izay, dia nampijalîna sy nalam-baràka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen’ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana. 3Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin’ny fitaka na amin’ny fahalotoana na amin’ny fisolokiana; 4fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin’olombelona izahay, fa amin’Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay. 5Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay. 6Tsy nitady voninahitra tamin’olombelona izahay, na taminareo na tamin’ny hafa, 7na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apôstôlin’i Kristy anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany. 8Noho ny fankamamianay anareo, dia tsy ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra ihany no sitrakay hampitaina aminareo, fa vonona koa izahay hahafoy na dia ny ainay aza, satria efa tonga malalanay ianareo. 9Tsaroanareo, ry havana, ny nikelezanay aina sy nisasaranay mafy; niasa andro aman’alina izahay mba tsy hanahirana na dia olona iray taminareo aza, fony izahay nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra. 10Samy vavolombelonay, na ianareo na Andriamanitra, fa madio sy marina ary tsy manan-tsiny ny fitondrantenanay teo anoloanareo mpino. 11Fantatrareo fa toy ny fitondran’ny ray ny zanany naterany no nitondranay anareo tsirairay avy: 12nampirisika anareo izahay sy nampahery anareo ary nananatra anareo mba hanao fitondrantena mendrika an’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra Izay miantso anareo hiditra ao amin’ny Fanjakàny sy ny voninahiny.

lundi 8 mars 2021

Alatsinainy 08 Martsa 2021 - Lio 7 : 18 - 23

 18Ary i Jôhany Mpanao batisa nilazan’ny mpianany izany rehetra izany, ka niantso roa lahy tamin’ireo mpianany 19sy naniraka azy hankany amin’ny Tompo hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?» 20Nony tonga tany amin’i Jesoa izy roa lahy, dia nanao hoe:

–I Jôhany Mpanao batisa no naniraka anay hankatỳ aminao hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»

21Tamin’izany indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra ny jamba maro. 22Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe:

–Ndeha ambarao amin’i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra. 23Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12