1Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay tatỳ aminareo. 2Fantatrareo koa fa taloha kelin’izay, dia nampijalîna sy nalam-baràka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen’ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana. 3Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin’ny fitaka na amin’ny fahalotoana na amin’ny fisolokiana; 4fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin’olombelona izahay, fa amin’Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay. 5Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay. 6Tsy nitady voninahitra tamin’olombelona izahay, na taminareo na tamin’ny hafa, 7na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apôstôlin’i Kristy anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany. 8Noho ny fankamamianay anareo, dia tsy ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra ihany no sitrakay hampitaina aminareo, fa vonona koa izahay hahafoy na dia ny ainay aza, satria efa tonga malalanay ianareo. 9Tsaroanareo, ry havana, ny nikelezanay aina sy nisasaranay mafy; niasa andro aman’alina izahay mba tsy hanahirana na dia olona iray taminareo aza, fony izahay nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra. 10Samy vavolombelonay, na ianareo na Andriamanitra, fa madio sy marina ary tsy manan-tsiny ny fitondrantenanay teo anoloanareo mpino. 11Fantatrareo fa toy ny fitondran’ny ray ny zanany naterany no nitondranay anareo tsirairay avy: 12nampirisika anareo izahay sy nampahery anareo ary nananatra anareo mba hanao fitondrantena mendrika an’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra Izay miantso anareo hiditra ao amin’ny Fanjakàny sy ny voninahiny.