mercredi 10 mars 2021

Alarobia 10 Martsa 2021 - Jao 6 : 1 - 13

 1Taorian’izany, dia lasa i Jesoa nankeny ampitan’ny farihin’i Galilea (na hoe farihin’i Tiberiada). 2Nisy vahoaka maro nanaraka Azy, noho ny nahitan’izy ireo ny famantarana nataon’i Jesoa hanasoavana ny marary. 3Dia niakatra teo an-tendrombohitra ry i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany. 4Tamin’izay dia efa akaiky ny Paska, ilay fankalazana fanaon’ny Jiosy. 5Rehefa nanopy maso i Jesoa ka nahita fa nisy vahoaka maro nanatona Azy, dia nilaza tamin’i Filipo hoe:

–Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?

6Fizahan-toetra an’i Filipo no nilazan’i Jesoa izany, satria Izy nahalala rahateo izay efa hataony. 7Dia hoy i Filipo taminy:

–Na dia mofo mitentina denàry 200 aza, tsy ampy hahazoan’ny tsirairay sombiny kely akory!

8Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andrea rahalahin’i Simôna Petera, nilaza taminy hoe:

9–Misy zazalahy ao manana mofo ôrza dimy sy trondro madinika anankiroa; fa ho ampy inona izany amin’izao olona marobe izao?

10Dia hoy i Jesoa hoe:

–Asaovy mipetraka ny olona!

Noho ny fisian’ny ahitra be teo amin’ilay toerana, dia nipetraka ny olona ka tokony ho dimy arivo no isan’ny vatan-dehilahy. 11Tamin’izay i Jesoa no nandray ireo mofo ka nony avy nisaotra an’Andriamanitra dia nizara azy ho an’izay nipetraka hihinana; ary nozarainy toy izany koa ny trondro arakaraka izay nilain’ny mpihinana. 12Rehefa voky ny olona, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

–Angony ny tapa-mofo sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very!

13Dia nangonin’ireo mpianatra, ka nahafeno sobika 12 ny tapa-mofo avy amin’ny mofo ôrza dimy, dia izay sisa tsy lanin’ny nihinana.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12