vendredi 7 mai 2021

Zoma 07 May 2021 - II Kor 3 : 1 - 6

 1Manomboka midera tena indray ve izahay amin’izany?

Sa kosa toy ny sasany izahay ka mila taratasy filazàn-tsoa momba anay ho anareo na avy aminareo? 2Ianareo mihitsy no taratasinay, taratasy voasoratra ato am-ponay ka fantatry ny olona rehetra sady vakîny. 3Miharihary fa taratasy soratanan’i Kristy ianareo, ary nampitondraina anay; kanefa tsy taratasy voasoratra tamina ranomainty fa tamin’ny alalan’ny Fanahin’ilay Andriamanitra velona, tsy taratasy voasokitra eo amina takela-bato fa ao am-pon’olombelona.

4Milaza izany izahay satria Andriamanitra no itokianay tokoa amin’ny alalan’i Kristy. 5Izahay dia tsy mihambo hanana fahaleovana hahahevitra asa toy izany avy amin’ny tenanay; fa avy amin’Andriamanitra ny fahaleovana ananany. 6Eny, Andriamanitra no anananay fahaleovana ho mpanompon’ny Fanekempihavanana Vaovao, dia ilay Fanekempihavanana tsy miankina amin’ny lalàna voasoratra fa amin’ny Fanahy Masina. Mahafaty manko ny lalàna voasoratra fa ny Fanahy Masina no mahavelona.

jeudi 6 mai 2021

Alakamisy 06 May 2021 - Eze 37 : 1 - 14

 1Ary ny herin’ny TOMPO nanindry ahy; ka ny Fanahiny no nitondran’ny TOMPO ahy ary nametrahany ahy tao amin’ny lohasaha midadasika iray rakotra taolana. 2Ary nentiny nandehandeha nanodidina an’ireo aho tao amin’izany lohasaha izany; ka indreo maro dia maro ny taolana sady maina tanteraka.

3Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe:

–Ry ilay taranak’olombelona, moa mety ho velona indray ve ireo taola-maina ireo?

Ka novaliako hoe:

–Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao irery ihany no mahalala.

4Ary hoy indray Izy tamiko:

–Ijoroy ny maha-mpaminany anao manoloana ireo taola-maina ireo ka mitenena aminy hoe: «Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo! 5Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminareo: Hasiako fofonaina indray ianareo, dia ho velona. 6Hasiako hozatra ianareo ary hampaniriko nofo sy hosaronako hoditra; dia hasiako fofonaina ianareo ka ho velona. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.»

7Dia nilaza ny hafatra araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho. Fa raha mbola nampita ilay hafatra aho, dia nisy feon-javatra nifanaretsaka: nihetsiketsika sady nifanatonkatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. 8Ary hitako naniry hozatra sy nofo sady nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. 9Dia hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ny fofonaina, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka mitenena aminy hoe: ‹Ry fofonaina, mandidy anao ny Tompo ANDRIANANAHARY mba ho tonga avy amin’ny vazan-tany efatra ianao ka hitsoka amin’ireo faty ireo mba ho velona indray izy.› 10Dia nilaza ilay hafatra araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho. Koa nidiran’ny fofonaina ireo faty ireo, dia velona indray. Nitsangana tamin’ny tongony izy ary nanjary tafika iray lehibe dia lehibe.

11Ary hoy indray ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ireo taola-maina ireo dia sarin’ny vahoaka israelita rehetra. Fa hoy ny Israelita hoe: ‹Tahaka ny taola-maina izahay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.› 12Noho izany, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hosokafako ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy any ianareo, ary haveriko ao Israely tanindrazanareo. 13Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa voasokatro ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy ao ianareo; 14ary hapetrako ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo ka hamponeniko indray ao an-tanindrazanareo. Eny, amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no nampanantena sady nahatanteraka izany; teny hentitra avy amiko TOMPO izany›. »

mercredi 5 mai 2021

Alarobia 05 Mai 2021 - Mat 10 : 16 - 20

 16–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala. 17Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin’ny sinagôgany; 18ary hoentina eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan’ny Jiosy sy ny hafa firenena. 19Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo. 20Tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin’ny Fanahy Masina irahin’ilay Rainareo.

mardi 4 mai 2021

Talata 04 May 2021 - Asa 11 : 1 - 8

 1Ren’ny apôstôly sy ny havana iray finoana tany Jodea fa efa nandray ny tenin’Andriamanitra koa ny hafa firenena. 2Ka nony tafaverina tany Jerosalema i Petera, dia nifandiran’ireo mpino jiosy 3nataony hoe:

–Dia olona tsy voafora ve no niantranoanao sy niarahanao nisakafo?

4Fa notantarain’i Petera tamin’ny antsipiriany hatrany am-boalohany izay nitranga, ka hoy izy tamin’ireo mpino jiosy:

5–Tao an-tanànan’i Jôpa aho, ary sendra nivavaka indrindra no nisehoam-pahitana mahavariana. Nisy zavatra nidina avy any an-danitra: toa lamba lehibe voatana amin’ny zorony efatra, nalatsaka avy any ary tonga teo akaikiko. 6Nijery tsara sy nandinika ny tao anatiny aho, ka nahita ny biby mandeha tongotra efatra, ny bibidia, ny biby mikisaka amin’ny tany ary ny voro-manidina. 7Dia nisy feo henoko nanao tamiko hoe: «Mitsangàna, ry Petera; mamonoa ka mihinàna!» 8Ary novaliako hoe: «Sanatria, Tompoko! Tsy mbola nisy mihitsy zavatra fady na maloto niditra ny vavako.»

lundi 3 mai 2021

Alatsinainy 03 May 2021 - Lio 2 : 22 - 32

 22Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an’i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalànan’i Mosesy. Dia nentin’i Maria sy i Jôsefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo, 23satria voasoratra ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe: «Hatokana ho an’ny Tompo ny lahimatoa rehetra.» 24Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin’ny lalànan’ny Tompo ihany koa i Maria sy i Jôsefa, izany hoe fanatitra «domohina roa na voromahailala roa».

25Tao Jerosalema tamin’izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an’Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn’ny Fanahy Masina izy 26ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia avy amin’ny Tompo. 27Nentin’ny Fanahy Masina hankao an-kianjan’ny tempoly i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin’i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian’ny lalàna ny amin’ny zaza; 28dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an’Andriamanitra nanao hoe:

29–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin’izay

ity mpanomponao, araka ny teninao!

30Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao

31izay nomaninao ho an’ny firenena rehetra:

32dia fahazavana hampahalala Anao amin’ny hafa firenena

ary hanome voninahitra an’i Israely vahoakanao.

dimanche 2 mai 2021

Alahady 02 May 2021 - Deo 34 : 5 - 9

 5Teo no nahafatesan’i Mosesy, ilay mpanompon’ny TOMPO, dia teo amin’ny tany Môaba araka ny tenin’ny TOMPO. 6Ary nalevin’Andriamanitra teo an-dohasaha, tao amin’ny tany Môaba, tandrifin’i Bety-Pehôra izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.

7Efa 120 taona i Mosesy no maty; ary tsy pahina ny masony na nihena ny heriny. 8Nitomanian’ny Israelita teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy, nandritra ny telopolo andro nanatontosana ny fisaonana azy.

9I Josoa, zanakalahin’i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.

samedi 1 mai 2021

Sabotsy 01 May 2021 - Mpit 3 : 9 - 11

 9Koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita; ary IZY nanangana mpamonjy izay hanafaka ny Israelita, dia i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza izay zandrin’i Kaleba. 10Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin’ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan’i Mezôpôtamia ka resiny. 11Dia nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona; avy eo dia maty i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12