22Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an’i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalànan’i Mosesy. Dia nentin’i Maria sy i Jôsefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo, 23satria voasoratra ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe: «Hatokana ho an’ny Tompo ny lahimatoa rehetra.» 24Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin’ny lalànan’ny Tompo ihany koa i Maria sy i Jôsefa, izany hoe fanatitra «domohina roa na voromahailala roa».
25Tao Jerosalema tamin’izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an’Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn’ny Fanahy Masina izy 26ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia avy amin’ny Tompo. 27Nentin’ny Fanahy Masina hankao an-kianjan’ny tempoly i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin’i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian’ny lalàna ny amin’ny zaza; 28dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an’Andriamanitra nanao hoe:
29–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin’izay
ity mpanomponao, araka ny teninao!
30Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao
31izay nomaninao ho an’ny firenena rehetra:
32dia fahazavana hampahalala Anao amin’ny hafa firenena
ary hanome voninahitra an’i Israely vahoakanao.