jeudi 6 mai 2021

Alakamisy 06 May 2021 - Eze 37 : 1 - 14

 1Ary ny herin’ny TOMPO nanindry ahy; ka ny Fanahiny no nitondran’ny TOMPO ahy ary nametrahany ahy tao amin’ny lohasaha midadasika iray rakotra taolana. 2Ary nentiny nandehandeha nanodidina an’ireo aho tao amin’izany lohasaha izany; ka indreo maro dia maro ny taolana sady maina tanteraka.

3Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe:

–Ry ilay taranak’olombelona, moa mety ho velona indray ve ireo taola-maina ireo?

Ka novaliako hoe:

–Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao irery ihany no mahalala.

4Ary hoy indray Izy tamiko:

–Ijoroy ny maha-mpaminany anao manoloana ireo taola-maina ireo ka mitenena aminy hoe: «Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo! 5Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminareo: Hasiako fofonaina indray ianareo, dia ho velona. 6Hasiako hozatra ianareo ary hampaniriko nofo sy hosaronako hoditra; dia hasiako fofonaina ianareo ka ho velona. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.»

7Dia nilaza ny hafatra araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho. Fa raha mbola nampita ilay hafatra aho, dia nisy feon-javatra nifanaretsaka: nihetsiketsika sady nifanatonkatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. 8Ary hitako naniry hozatra sy nofo sady nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. 9Dia hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ny fofonaina, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka mitenena aminy hoe: ‹Ry fofonaina, mandidy anao ny Tompo ANDRIANANAHARY mba ho tonga avy amin’ny vazan-tany efatra ianao ka hitsoka amin’ireo faty ireo mba ho velona indray izy.› 10Dia nilaza ilay hafatra araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho. Koa nidiran’ny fofonaina ireo faty ireo, dia velona indray. Nitsangana tamin’ny tongony izy ary nanjary tafika iray lehibe dia lehibe.

11Ary hoy indray ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ireo taola-maina ireo dia sarin’ny vahoaka israelita rehetra. Fa hoy ny Israelita hoe: ‹Tahaka ny taola-maina izahay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.› 12Noho izany, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hosokafako ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy any ianareo, ary haveriko ao Israely tanindrazanareo. 13Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa voasokatro ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy ao ianareo; 14ary hapetrako ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo ka hamponeniko indray ao an-tanindrazanareo. Eny, amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no nampanantena sady nahatanteraka izany; teny hentitra avy amiko TOMPO izany›. »

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12