vendredi 14 mai 2021

Sabotsy 15 May 2021 - II Mpa 2 : 9 - 14

 9Rehefa samy tafita izy, dia hoy i Elià tamin’i Elisà:

–Angataho izay tianao hataoko aminao mialoha ny hanesorana ahy ho lavitra anao.

Ary hoy i Elisà:

–Mba te hahazo anjara roa amin’ny fanahinao re aho.

10Fa hoy kosa i Elià:

–Zava-tsarotra no angatahinao, kanefa raha voajerinao aho amin’iny hoesorina hiala aminao iny, dia ho azonao tokoa izany; fa raha tsy voajerinao kosa aho, dia tsy ho azonao izany.

11Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elià dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any. 12Rehefa nijery izany i Elisà, dia niantsoantso hoe:

–Ry dada ô, ry dada ô, mahery noho ireo kalesin’i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny ianao!

Nony tsy hitan’i Elisà intsony i Elià, dia notriariny roa ny fitafiany. 13Ary nalainy ny akanjobe izay nilatsaka avy teny an-tsorok’i Elià; dia niverina izy ka nitsangana teo amoron’i Jôrdàna. 14Noraisin’i Elisà ilay akanjoben’i Elià ka nikapohany ny rano, sady nihiaka izy hoe:

–Aiza ny TOMPO Andriamanitr’i Elià? Aiza Izy?

Mba nikapoka ny rano koa i Elisà, dia nisaraka roa izany ary niampita izy.

Zoma 14 May 2021 - Jao 3 : 9 - 15

9Dia niteny tamin’i Jesoa i Nikôdema nanao hoe:

–Hatao ahoana no hahatonga izany?

10Ka izao no navalin’i Jesoa azy:

–Mpampianatra eto amin’i Israely ianao, ka tsy mahalala izany ve? 11Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay ary izay hitanay no ijoroanay ho vavolombelona, nefa tsy raisinareo izany fijoroanay ho vavolombelona izany. 12Raha nilaza taminareo ny zavatra etỳ an-tany Aho, dia tsy inoanareo; ka ahoana no hinoanareo Ahy, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? 13Ary tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona. 14Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny bibilava varahina tany an-taniefitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona 15mba ho velona aina mandrakizay izay rehetra mino Azy. 

mercredi 12 mai 2021

Alarobia 12 May 2021 - Rom 5 : 1 - 8

 1Noho ny finoana àry dia tonga olo-marina eo imason’Andriamanitra isika sady efa mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. 2Amin’ny alalan’i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin’ny voninahitr’Andriamanitra. 3Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana; 5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.

6Mbola tsy nanan-kery isika no tonga ny fotoanandro voatendrin’Andriamanitra, ka maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy. 7Saika tsy misy aza manaiky ho faty hamonjy olo-marina; ary angamba mety hisy ihany hanana herim-po ho faty hamonjy olona tsara fanahy. 8Fa i Kristy kosa maty hamonjy antsika, fony isika mbola mpanota: nahariharin’Andriamanitra tamin’izany ny fitiavany antsika.

mardi 11 mai 2021

Talata 11 Mai 2021 - II Sam 23 : 1 - 7

 1Izao no fanambaràna farany nataon’i Davida:

Teny hentitr’i Davida, zanakalahin’i Jisay,

dia teny hentitry ny lehilahy

izay voafidin’ilay Andriamanitr’i Jakôba

mba ho voasandratra ho mpanjaka

sady voahasohason’ireo hiran’i Israely:

2Ny Fanahin’ny TOMPO no mampiteny ahy

sy mametraka ao am-bavako ny teniny.

3Ny Andriamanitr’i Israely sady mpiaro azy

no efa niteny ka nanao tamiko hoe:

«Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana

sy mitondra azy amim-panajana an’Andriamanitra

4dia toy ny fahazavan’ny maraina

raha miposaka ny masoandro

amin’iny maraina tsy misy rahona iny.

Ny tarany mafana mandimby ny orana

no mampaniry ny ahitra amin’ny tany.»

5Toy izany indrindra ny fianakaviako

eo anoloan’Andriamanitra;

fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay

no nataon’Andriamanitra tamiko,

dia fanekempihavanana mirindra

sy voatandro amin’ny lafiny rehetra.

Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko

dia Izy no ipoiran’ireny rehetra ireny.

6Fa ny olom-poana rehetra kosa

dia tahaka ny tsilo fanary

ka tsy mba fandrain-tanana.

7Izay te hikasika azy

dia tsy maintsy mirongo

faraingo vy na zaran-defona;

ary ireny tsilo ireny dia dorana amin’ny afo

eo amin’ny toerana itobiany eo ihany.


lundi 10 mai 2021

Alatsinainy 10 Mai 2021 - Gen 31 : 37 - 46

 37Nosavanao ny entako rehetra, ka inona no hitanao? Asehoy eo imason’ny havanao sy ireo havako izany hitsarany antsika. 38Roapolo taona izao no efa niarahako taminao, nefa ny ondrivavinao aman’osivavinao tsy mba namotsotra; sady tsy mbola nihinana ondrilahy tamin’ny andian’ondrinao na oviana na oviana aho. 39Tsy mbola nitondra ireo fatim-biby voaviraviran’ny bibidia tany aminao mihitsy aho, fa izaho no nanolo azy; teo am-pelatanako no nitadiavanao izay nangalarin’olona na tamin’ny andro na tamin’ny alina. 40Niaritra ny hafanana amin’ny antoandro aho, ary jihitry ny hatsiaka amin’ny alina ka tsy nopizin-tory akory. 41Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin’ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman’osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako. 42Raha tsy nomba ahy ny Andriamanitr’i Abrahama raibeko, ilay Andriamanitra nampihorohoro an’i Itsehàka, dia ho nalefanao nitondra tanam-polo aho ankehitriny. Fa nahita ny fijaliako sy ny hasasarako Andriamanitra ka nananatra anao halina.

43Dia namaly an’i Jakôba i Labàna hoe:

–Ireo zazavavy ireo dia zanako, ny zanak’ireo dia taranako, ny andian’ondry aman’osy dia ondry aman’osiko, ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa. Manomboka anio dia tsy misy na inona na inona azoko atao intsony ho an’ireto zanako vavy ireto na ho an’ireo zanakalahy izay naterany? 44Koa andeha ankehitriny hanao fifanekena izaho sy ianao, ary aoka hisy vavolombelon’izany eo amintsika.

45Dia naka vato anankiray i Jakôba ka nanangana azy ho tsangambato. 46Avy eo nasain’i Jakôba nanangona vato iretsy havany an-daniny, dia naka vato ireo ka nanao antontany; ary nihinana teo ambonin’io antontam-bato io ny besinimaro.

dimanche 9 mai 2021

Alahady 09 May 2021 - Mar 13 : 9 - 11

 9Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany. 10Kanefa tsy maintsy hotorîna amin’ny firenena rehetra aloha ny Vaovao Mahafaly. 11Rehefa hoentina hatolotra amin’ny mpitsara ianareo, dia aza manahy hoe inona no holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izay fotoana izay, lazaina; satria tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin’ny Fanahy Masina.

samedi 8 mai 2021

Sabotsy 08 May 2021 - Isa 11: 1 - 10

 1Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay;

misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.

2Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy,

dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka

Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,

Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;

3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.

Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy

na hanapaka araka izay ren’ny sofiny,

4fa hitsara ny malahelo ara-drariny

ary hamoaka didy araka ny hitsiny

ho an’ny mahantra eo amin’ny tany.

Ny teniny no toy ny tsorakazo

hikapohany ny tany

ary ny fofonain’ny vavany

no hamonoany ny olon-dratsy.

5Ny rariny no ho fisikinany

ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.

6Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin’ny zanak’ondry,

ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy;

ny zanak’omby sy ny liona tanora hiara-mihinana

ka zazalahy kely no hitarika azy.

7Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka;

ary ny zanak’izy ireo hiara-matory.

Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.

8Ny zaza mbola minono

hilalao eo an-davaky ny bibilava;

ary ny zaza misara-nono

hanatsofoka ny tanany

ao an-davaky ny menarana.

9Tsy hisy hanimba na handratra

manerana ny tendrombohitra masina,

satria ny fahalalana ny TOMPO

no hanenika izany tany izany

tahaka ny anaronan’ny rano

ny fanambanin’ny ranomasina.

10Amin’izany andro izany ny solofon’i Jisay

dia hatsangana ho fanevan’ny firenena rehetra;

ka hitady azy ny firenen-kafa,

ary hanjary be voninahitra ny fonenany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12