1Noho ny finoana àry dia tonga olo-marina eo imason’Andriamanitra isika sady efa mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. 2Amin’ny alalan’i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin’ny voninahitr’Andriamanitra. 3Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana; 5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.
6Mbola tsy nanan-kery isika no tonga ny fotoanandro voatendrin’Andriamanitra, ka maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy. 7Saika tsy misy aza manaiky ho faty hamonjy olo-marina; ary angamba mety hisy ihany hanana herim-po ho faty hamonjy olona tsara fanahy. 8Fa i Kristy kosa maty hamonjy antsika, fony isika mbola mpanota: nahariharin’Andriamanitra tamin’izany ny fitiavany antsika.