37Nosavanao ny entako rehetra, ka inona no hitanao? Asehoy eo imason’ny havanao sy ireo havako izany hitsarany antsika. 38Roapolo taona izao no efa niarahako taminao, nefa ny ondrivavinao aman’osivavinao tsy mba namotsotra; sady tsy mbola nihinana ondrilahy tamin’ny andian’ondrinao na oviana na oviana aho. 39Tsy mbola nitondra ireo fatim-biby voaviraviran’ny bibidia tany aminao mihitsy aho, fa izaho no nanolo azy; teo am-pelatanako no nitadiavanao izay nangalarin’olona na tamin’ny andro na tamin’ny alina. 40Niaritra ny hafanana amin’ny antoandro aho, ary jihitry ny hatsiaka amin’ny alina ka tsy nopizin-tory akory. 41Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin’ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman’osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako. 42Raha tsy nomba ahy ny Andriamanitr’i Abrahama raibeko, ilay Andriamanitra nampihorohoro an’i Itsehàka, dia ho nalefanao nitondra tanam-polo aho ankehitriny. Fa nahita ny fijaliako sy ny hasasarako Andriamanitra ka nananatra anao halina.
43Dia namaly an’i Jakôba i Labàna hoe:
–Ireo zazavavy ireo dia zanako, ny zanak’ireo dia taranako, ny andian’ondry aman’osy dia ondry aman’osiko, ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa. Manomboka anio dia tsy misy na inona na inona azoko atao intsony ho an’ireto zanako vavy ireto na ho an’ireo zanakalahy izay naterany? 44Koa andeha ankehitriny hanao fifanekena izaho sy ianao, ary aoka hisy vavolombelon’izany eo amintsika.
45Dia naka vato anankiray i Jakôba ka nanangana azy ho tsangambato. 46Avy eo nasain’i Jakôba nanangona vato iretsy havany an-daniny, dia naka vato ireo ka nanao antontany; ary nihinana teo ambonin’io antontam-bato io ny besinimaro.