lundi 19 juillet 2021

Alatsinainy 19 Jolay 2021 - I Sam 3 : 8 - 14

 8Niantso fanintelony an’i Samoela ny TOMPO, koa dia nitsangana indray izy nankany amin’i Helỳ ka nanao taminy hoe:

–Niantso ahy ianao, koa intỳ aho!

Izay vao fantatr’i Helỳ fa ny TOMPO no niantso ny zaza. 9Ary hoy izy taminy:

–’Ndeha miverina matory; fa raha toa mbola misy miantso anao, dia valio hoe: «Mitenena, TOMPO ô, fa mihaino ny mpanomponao!» Dia lasa natory teo amin’ny fatoriany indray i Samoela.

10Ary avy ny TOMPO, dia nitsangana teo, ka niantso toy ny fanaony hoe: «Ry Samoela, ry Samoela!» Dia hoy izy namaly:

–Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.

11Ary hoy ny TOMPO tamin’i Samoela:

–Indro hanao zavatra amin’i Israely Aho, dia zavatra hampangirintsina ny sofin’izay rehetra mandre azy. 12Hampihariko amin’i Helỳ sy ny taranany amin’izany andro izany ny loza rehetra, efa nambarako hamelezana azy; eny, hampihariko hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany izany. 13Efa nampitandrina azy Aho manko fa hohelohiko mandrakizay ny fianakaviany noho ny fahotan-janany izay fantany tsara nefa tsy mba nosakanany. 14Koa izany no nianianako tamin’ny fianakavian’i Helỳ fa tsy misy sorona na fanatitra hahafa-pahotana azy.

dimanche 18 juillet 2021

Alahady 18 Jolay 2021 - Fil 3 : 12 - 16

 12Tsy mihambo ho efa tafita aho na ho efa tanteraka; fa miezaka hatrany aho hahazo ny amboaran’ny hazakazaka, satria izany no efa nahazoan’i Kristy Jesoa ahy. 13Ry havana, tsy mihevi-tena ho efa nahazo ny amboara sahady aho; fa zavatra iray ihany no ataoko: manadino ny efa nodiaviko ka mikely aina fatratra ho tody amin’izay kendrena. 14Miezaka hahatratra ny tanjona aho mba hahazoako ny amboara, dia ny fiainana iraisana amin’i Kristy Jesoa ka iantsoan’Andriamanitra any ambony any.

15Aoka hisaina toy izany àry isika rehetra matotra ara-panahy. Kanefa raha misy aminareo misaina hafa noho izany, dia Andriamanitra no hampahazava izany aminareo. 16Saingy, na ahoana na ahoana, dia aoka isika hizotra amin’izay efa andehanantsika hatramin’izao.

samedi 17 juillet 2021

Sabotsy 17 Jolay 2021 - Isa 41 : 8 - 13

 8Ianao kosa, ry Israely mpanompoko,

firenen’i Jakôba izay nofidiko,

taranak’i Abrahama sakaizako,

9ianao izay nalaiko avy tany am-paran’ny tany

sady nantsoiko avy amin’ny faritra lavitra indrindra,

ianao no itenenako hoe: «Mpanompoko ianao;

Izaho no nifidy anao ka tsy manary anao.»

10Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho,

aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao.

Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa;

ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.

11Indro ho menatra sy ho afa-baràka

izay rehetra naneso anao.

Hanjary tsinontsinona sy ho levona

ny mpanohitra anao.

12Hotadiavinao ireo mpisetrasetra anao

fa tsy ho hitanao;

hanjary tsinontsinona sy zava-poana

ireo mpiady aminao.

13Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,

Izay mitantana anao amin’ny tanan-kavananao

sady mamerimberina aminao hoe:

«Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.»

vendredi 16 juillet 2021

Zoma 16 Jolay 2021 - Asa 7 : 30 - 38

 30Efapolo taona taorian’izany, dia anjely tanaty lelafon-droimemy mirehitra no niseho tamin’i Mosesy, tany an-taniefitra misy ny tendrombohitra Sinay. 31Gaga i Mosesy raha nisehoan’izany fahitana izany. Kanefa nony nanatona handinika akaiky kokoa izy, dia injao ny feon’ny Tompo nanao hoe: 32«Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba!» Tora-kovitra i Mosesy ka tsy sahy nandinika. 33Ary hoy ny Tompo taminy: «Esory ny kapanao, fa masina io tany ijoroanao io. 34Efa hitako tokoa fa miferinaina ny vahoakako any Ejipta ary efa reko mitoloko lava ka tafidina hanafaka azy Aho. Ary ankehitriny, ndeha ianao hirahiko ho any Ejipta.»

35Io ilay Mosesy nolavin’ny Israelita ka nataony hoe: «Iza no nanendry anao ho mpifehy sy ho mpitsara anay?», kanefa nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nombàn’ny herin’ilay anjely niseho taminy tanatin’ny roimemy. 36I Mosesy no nahavita zava-mahagaga amam-pamantarana tany Ejipta sy tany amin’ny Ranomasina Mena ary tany an-taniefitra nandritra ny efapolo taona, ka nahatafavoaka ny Israelita. 37I Mosesy ihany koa no nilaza tamin’ny Israelita hoe: «Hisy mpaminany tahaka ahy hajoron’Andriamanitra ho anareo, dia mpaminany avy aminareo samy ianareo!» 38Rehefa vory ho fiangonana tany an-taniefitra ny vahoaka Israely, dia i Mosesy no teo anelanelan’ireo razantsika sy ilay anjely niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay; ka izy no nandray ny teny mahavelona avy amin’Andriamanitra mba homena antsika.

jeudi 15 juillet 2021

Alakamisy 15 Jolay 2021 - II Pet 3 : 11 - 18

 11Koa raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin’Andriamanitra? 12Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian’ilay andron’Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy! 13Kanefa isika, araka ny fampanantenàn’Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan’ny fahamarinana soritan’Andriamanitra.

14Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo. 15Hevero fa ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr’i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen’Andriamanitra azy. 16Toy izany koa no ataony ao amin’ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin’ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin’ny teny hafa raketin’ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.

17Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan’ny hevi-dison’ireo ratsy fanahy, ka hiala amin’izay iorenanareo. 18Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.

mercredi 14 juillet 2021

Alarobia 14 Jolay 2021 - Eks 3 : 7 - 14

 7Ary hoy ny TOMPO hoe:

–Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan’ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany. 8Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita. 9Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan’ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian’ny Ejiptianina azy. 10Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin’ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.

Manambara ny anarany amin’i Mosesy Andriamanitra

11Fa hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra:

–Zinona moa aho no hankany amin’ny Farao ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?

12Ary hoy Andriamanitra hoe:

–Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.

13Ka hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra:

–Eny àry fa hankany amin’ny Israelita aho izao hilaza aminy hoe: «Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Saingy hanontany ahy ny anaranao izy, koa inona no havaliko azy?

14Dia hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy:

–Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay. Koa izao no holazainao amin’ny Israelita: «Ilay hatrizay ka ho mandrakizay no naniraka ahy ho atỳ aminareo.»

mardi 13 juillet 2021

Talata 13 Jolay 2021 - Isa 43 : 1 - 13

 1Ankehitriny kosa izao no lazain’ny TOMPO

Izay nahary anao, ry firenen’i Jakôba

sy namorona anao, ry vahoaka Israely:

«Aza matahotra ianao, fa efa navotako;

ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.

2Raha mamakivaky ny rano ianao,

dia homba anao Aho;

raha miampita ny ony ianao,

dia tsy hanafotra anao ireny;

raha mandeha eo anivon’ny afo ianao,

dia tsy ho may akory

fa tsy handoro anao ny lelafo.

3Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,

ilay Masin’i Israely mpamonjy anao.

Nomeko hanavotana anao i Ejipta;

ary nataoko solonao i Etiôpia sy i Sebà.

4Satria sarobidy eo imasoko ianao,

manan-danja amiko sady tiako.

Koa nanome olona ho solonao Aho

sy firenena maro ho takalon’ny ainao.

5Aza matahotra fa momba anao Aho.

Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao,

avy any andrefana no hanangonako ireo olonao.

6Hoy Aho amin’ny avaratra: ‹Omeo Ahy ireo›,

ary amin’ny atsimo: ‹Aza hazonina izy!›

Avereno amiko ny zanako lahy avy any lavitra

sy ny zanako vavy avy any am-paran’ny tany,

7dia izay rehetra mitondra ny anarako

sady noarîko sy novolavolaiko

mba hanome voninahitra Ahy.

Ianareo no vavolombeloko

8Avoahy ny olona mana-maso nefa jamba,

ary manan-tsofina nefa marenina.

9Aoka hiangona ny firenena rehetra

ary hivory ny olombelona!

Iza amin’ireo andriamanitrareo

no mahalaza aminay ny zava-nitranga?

Aoka izy hanambara aminay

ny zava-niseho voalohany.

Aoka hasehony ny vavolombelony

mba haneho ny fahamarinany;

ary aoka ny vavolombelony hihaino azy

ka hanamafy hoe: «Marina izany!»

10Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

Ianareo vahoakako no vavolombeloko,

ianareo no mpanompoko izay nofidiko

mba hahafantaranareo sy hitokianareo Ahy

ary hahatakaranareo ny maha Izaho Ahy;

talohako dia tsy nisy Andriamanitra

ary tsy hisy handimby Ahy aoriako.

11Izaho dia Izaho ihany no TOMPO,

ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

12Izaho no nanambara sy nanome ny famonjena

ka nampahafantatra izany rahateo,

fa tsy nisy andriamani-kafa tao aminareo.

Koa ianareo no vavolombeloko,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO;

ary Izaho no Andriamanitra.

13Eny, hatrizay hatrizay

dia izany no maha Izaho Ahy.

Tsy misy maharombaka izay eo an-tanako,

ary tsy misy mahaova izay ataoko.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12