vendredi 16 juillet 2021

Zoma 16 Jolay 2021 - Asa 7 : 30 - 38

 30Efapolo taona taorian’izany, dia anjely tanaty lelafon-droimemy mirehitra no niseho tamin’i Mosesy, tany an-taniefitra misy ny tendrombohitra Sinay. 31Gaga i Mosesy raha nisehoan’izany fahitana izany. Kanefa nony nanatona handinika akaiky kokoa izy, dia injao ny feon’ny Tompo nanao hoe: 32«Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba!» Tora-kovitra i Mosesy ka tsy sahy nandinika. 33Ary hoy ny Tompo taminy: «Esory ny kapanao, fa masina io tany ijoroanao io. 34Efa hitako tokoa fa miferinaina ny vahoakako any Ejipta ary efa reko mitoloko lava ka tafidina hanafaka azy Aho. Ary ankehitriny, ndeha ianao hirahiko ho any Ejipta.»

35Io ilay Mosesy nolavin’ny Israelita ka nataony hoe: «Iza no nanendry anao ho mpifehy sy ho mpitsara anay?», kanefa nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nombàn’ny herin’ilay anjely niseho taminy tanatin’ny roimemy. 36I Mosesy no nahavita zava-mahagaga amam-pamantarana tany Ejipta sy tany amin’ny Ranomasina Mena ary tany an-taniefitra nandritra ny efapolo taona, ka nahatafavoaka ny Israelita. 37I Mosesy ihany koa no nilaza tamin’ny Israelita hoe: «Hisy mpaminany tahaka ahy hajoron’Andriamanitra ho anareo, dia mpaminany avy aminareo samy ianareo!» 38Rehefa vory ho fiangonana tany an-taniefitra ny vahoaka Israely, dia i Mosesy no teo anelanelan’ireo razantsika sy ilay anjely niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay; ka izy no nandray ny teny mahavelona avy amin’Andriamanitra mba homena antsika.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12