mardi 13 juillet 2021

Talata 13 Jolay 2021 - Isa 43 : 1 - 13

 1Ankehitriny kosa izao no lazain’ny TOMPO

Izay nahary anao, ry firenen’i Jakôba

sy namorona anao, ry vahoaka Israely:

«Aza matahotra ianao, fa efa navotako;

ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.

2Raha mamakivaky ny rano ianao,

dia homba anao Aho;

raha miampita ny ony ianao,

dia tsy hanafotra anao ireny;

raha mandeha eo anivon’ny afo ianao,

dia tsy ho may akory

fa tsy handoro anao ny lelafo.

3Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,

ilay Masin’i Israely mpamonjy anao.

Nomeko hanavotana anao i Ejipta;

ary nataoko solonao i Etiôpia sy i Sebà.

4Satria sarobidy eo imasoko ianao,

manan-danja amiko sady tiako.

Koa nanome olona ho solonao Aho

sy firenena maro ho takalon’ny ainao.

5Aza matahotra fa momba anao Aho.

Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao,

avy any andrefana no hanangonako ireo olonao.

6Hoy Aho amin’ny avaratra: ‹Omeo Ahy ireo›,

ary amin’ny atsimo: ‹Aza hazonina izy!›

Avereno amiko ny zanako lahy avy any lavitra

sy ny zanako vavy avy any am-paran’ny tany,

7dia izay rehetra mitondra ny anarako

sady noarîko sy novolavolaiko

mba hanome voninahitra Ahy.

Ianareo no vavolombeloko

8Avoahy ny olona mana-maso nefa jamba,

ary manan-tsofina nefa marenina.

9Aoka hiangona ny firenena rehetra

ary hivory ny olombelona!

Iza amin’ireo andriamanitrareo

no mahalaza aminay ny zava-nitranga?

Aoka izy hanambara aminay

ny zava-niseho voalohany.

Aoka hasehony ny vavolombelony

mba haneho ny fahamarinany;

ary aoka ny vavolombelony hihaino azy

ka hanamafy hoe: «Marina izany!»

10Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

Ianareo vahoakako no vavolombeloko,

ianareo no mpanompoko izay nofidiko

mba hahafantaranareo sy hitokianareo Ahy

ary hahatakaranareo ny maha Izaho Ahy;

talohako dia tsy nisy Andriamanitra

ary tsy hisy handimby Ahy aoriako.

11Izaho dia Izaho ihany no TOMPO,

ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

12Izaho no nanambara sy nanome ny famonjena

ka nampahafantatra izany rahateo,

fa tsy nisy andriamani-kafa tao aminareo.

Koa ianareo no vavolombeloko,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO;

ary Izaho no Andriamanitra.

13Eny, hatrizay hatrizay

dia izany no maha Izaho Ahy.

Tsy misy maharombaka izay eo an-tanako,

ary tsy misy mahaova izay ataoko.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12