vendredi 31 janvier 2014

Zoma 31 Janoary 2014 - Asa 9 : 32 - 35

32Raha nitety tany nitsidika ny vahoakan'Andriamanitra* rehetra i Petera, dia nankany amin'ireo nonina tany Lida koa. 33Tao no nahitany lehilahy malemy anankiray atao hoe Enea, efa valo taona nilamahana teo am-parafara. 34Ary hoy i Petera taminy:
–Ry Enea, manasitrana anao i Jesoa Kristy*! Mitsangàna ka amboary ny fandrianao!
 
Dia nitsangana niaraka tamin'izay i Enea. 35Nahita azy ny mponina rehetra tany Lida sy tany amin'ny lemak'i Sarôna ka niverina ho amin'ny Tompo.

jeudi 30 janvier 2014

Alakamisy 30 Janoary 2014 - Isa 45 : 14 - 17

14Izao, ry vahoaka Israely,
no lazain'ny TOMPO aminao:
Ny vokatry ny asan'ny Ejiptianina,
ny tombom-barotry ny Etiôpianina
sy ny an'ireo olona ranjanana avy any Seba
dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao.
Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao
ary hiankohoka handady eo anatrehanao
sady hivavabavaka hifona aminao hoe:
«Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra;
ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»
15Kanefa marina fa Andriamanitra miafina Ianao,
ry Andriamanitr'i Israely sady mpamonjy ô!
16Indro ny mpanamboatra sarivongan-tsampy
fa ho indray menatra sy ho afa-baràka;
mandeha mitanondrika izy rehetra.
17Ianareo kosa, ry vahoaka Israely,
dia nandray famonjena mandrakizay avy amin'ny TOMPO.
Tsy ho menatra na ho afa-baràka
na oviana na oviana ianareo.

mercredi 29 janvier 2014

Alarobia 29 Janoary 2014 - Mat 8 : 1 - 4

1Raha nidina avy teo an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahina vahoaka maro. 2Ary indro nisy lehilahy marary hoditra* nanatona Azy, dia niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe:
–Tompo ô, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!
 
3Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe:
–Sitrako, madiova ianao!
 
Avy hatrany dia nadio ny aretin-koditra nahazo an-dralehilahy. 4Ary hoy i Jesoa taminy:
–Tandremo ny milaza izao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana miseho amin'ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin'i Mosesy mba ho vavolombelona amin'ny olona fa madio ianao.

mardi 28 janvier 2014

Talata 28 Janoary 2014 - Sal 46 : 1 - 3

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*.Hampiarahina amin'ny zava-maneno avo feo.
Tononkira nataon'ireo terak'i Kôra
.


2Andriamanitra ny anay no aro sy hery;
mpamonjy mora azo indrindra Izy amin'ny fahoriana.
3Koa tsy atahoranay na tany hihozona,
na tendrombohitra hianjera any anaty ranomasina,

lundi 27 janvier 2014

Alatsinainy 27 Janoary 2014 - Jon 3 : 1 - 10

1Ary nisy baikon'ny TOMPO fanindroany tamin'i Jônà nanao hoe:
2–Mitsangàna ka mankanesa any Ninive ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny hafatra izay nolazaiko anao.

3Dia nitsangana i Jônà ka niainga nankany Ninive, araka ny baikon'ny TOMPO. Tanàna lehibe tokoa i Ninive, fa telo andro no fitetezana azy. 4Dia nanomboka ny fitetezana tamin'ny andro voalohany i Jônà ka nitory hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Ninive.» 5Nino an'Andriamanitra ny mponin'i Ninive, ka nanapa-kevitra ny hifady hanina* ary nitafy gony hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. 6Rehefa ren'ny mpanjakan'i Ninive ny vaovao, dia nidina avy teo amin'ny sezafiandrianany izy ka nanala ny akanjo maha mpanjaka azy, ary nitafy gony koa sady nipetraka teo amin'ny lavenona.

7Dia nasainy nambara nanerana ny tanàna izao didim-panjakana izao: «Araka ny didin'ny mpanjaka sy ny minisitra, dia rarana ny olona sy ny biby tsy hihinana na inona na inona na hisotro rano akory. 8Na olona na biby dia tsy maintsy misarona lamba fisaonana avokoa. Ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra ka hiala amin'ny toetra ratsiny sy ny herisetra nahazatra ny tanany. 9Iza no mahalala? Angamba hiova fanapahan-kevitra ihany Andriamanitra ka hiala amin'ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahafaty antsika.»

10Rehefa hitan'Andriamanitra ny fihetsik'ireo Ninivita izay niala tamin'ny toetra ratsiny, dia niova fanapahan-kevitra Izy ka tsy nampihatra ny loza izay nolazainy hamelezany azy.

dimanche 26 janvier 2014

Alahady 26 Janoary 2014 - Hos 13 : 4 - 13

4Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao,
hatry ny fony ianao tany Ejipta;
ary ianao dia tsy mahafantatra
andriamani-kafa ankoatrako
sy mpamonjy afa-tsy Izaho.
5Izaho no mpiandry anao;
fony ianao tany an-taniefitra
tany amin'ny tany karankaina.
6Nony mby teo amin'ny ahi-maitso ianao
dia afa nivoky tokoa.
Eny, voky ianao, ka niavonavom-po;
izany no nanadinoanao Ahy.
7Koa tonga toy ny liona Aho
aminareo Israelita,
ary koa tahaka ny pantèra
mamitsaka amoron-dalana.
8Toy ny famelin'ny orsa very zanaka
no amelezako anareo,
ka rotehiko ny tratranareo.
Toy ny fandrapaky ny liom-bavy
no andrapahako anareo;
ny bibidia no hamiravira ny fatinareo.

9Ny maharingana anao, ry Israely,
dia noho ianao manohitra Ahy
Izay hany mahavonjy anao.
10Aiza àry izao ny mpanjakanao
izay tokony hamonjy anao?
Amin'ny tanànanao rehetra,
aiza koa ireo mpitondra anao?
Fa ianao ihany no nanao hoe:
«Omeo mpanjaka sy filoha aho».
11Koa tamim-pahatezerana
no nanomezako mpanjaka anao,
ary tamim-pahavinirana
no nanesorako ireny indray.

12Voatana an-tsoratra
ny helok'i Efraîma,
tsara tahiry ny fahotany.
13Tahaka ny an'ny vehivavy hiteraka
no fanaintainana mahazo azy.
Kanefa dia zaza adaladala:
tsy mety mivoaka avy ao an-kibo izy,
na dia efa tonga aza ny fotoany.

samedi 25 janvier 2014

Sabotsy 25 Janoary 2014 - Sal 95 : 1 - 5

1Avia! Aoka isika hihoby ny TOMPO,
hankalaza ilay Vatolampy Mpamonjy antsika!
2Aoka hankeo anatrehany amim-piderana,
hankalaza Azy amin'ny feon-java-maneno!
3Fa Andriamanitra lehibe ny TOMPO,
Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra.
4Eo ambany fifehezany ny atin'ny tany,
ary Azy koa ny tampon'ny tendrombohitra;
5Azy ny ranomasina fa nataony,
Azy koa ny tanety fa novolavolainy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12