mercredi 31 juillet 2019

Alarobia 31 Jolay 2019 - Asa 18 : 5 - 11

5Rehefa tonga avy any Masedônia i Silasy mbamin’i Timôty, dia ny toriteny no nimasoan’i Paoly, ary nambarany tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia. 6Kanefa nanohitra sy nanevateva azy ry zareo; ka dia nanopakopa-damba i Paoly sady nanao taminy hoe:
–Anareo ny andraikitra raha toa ka manalavitra an’Andriamanitra ianareo, fa afaka adidy aminareo aho. Manomboka anio dia any amin’ny hafa firenena no halehako.

7Dia niala teo i Paoly ka nankao amin’i Tisio Josta, mpanaja an’Andriamanitra, izay nanan-trano nifanolotra tamin’ny sinagôga. 8Kanefa nino ny Tompo i Krispo, lehiben’ny sinagôga, mbamin’ny ankohonany manontolo; ary maro koa ny Kôrintianina nihaino an’i Paoly no tonga mpino ary natao batisa.

9Indray alina dia nisehoam-pahitana i Paoly, ka nilazan’ny Tompo hoe:
–Aza matahotra, fa mitenena hatrany ary aza mangina. 10Fa momba anao Aho, ary tsy hisy olona afaka hihazona anao mba hampahorîna, satria vahoaka maro no voatokana ho Ahy amin’ity tanàna ity.

11Nitoetra herintaona sy tapany tao Kôrinto i Paoly, ka nampianatra ny tenin’Andriamanitra tamin’ny olona.

mardi 30 juillet 2019

Talata 30 Jolay 2019 - Mat 28 : 16 - 20

16Ary ny mpianatra 11 lahy dia nankany Galilea, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa halehany. 17Nony nahita an’i Jesoa ny mpianatra, dia nitsaoka Azy; kanefa mbola nisalasala ihany ny sasany. 18Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy etỳ an-tany; 19koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra; ka ataovy batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, 20sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.

lundi 29 juillet 2019

Alatsinainy 29 Jolay 2019 - Apo 3 : 1 - 6

1–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Sardy:

«Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy Masina ombàm-panomezana fito avy amin’Andriamanitra sy mitana ny kintana fito: Fantatro ny asanao; fantatro fa malaza hoe velona ianao, kanjo maty. 2Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa efa mila ho faty, satria tsy nisy nahitako lavorary eo anatrehan’Andriamanitro ny asanao. 3Koa tsarovy izay fomba nandraisanao sy nihainoanao ny tenin’Andriamanitra ary dia tano izany ka ialao ny toe-dratsinao. Raha tsy miambina ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao. 4Kanefa eto Sardy ianao dia manana olona vitsivitsy izay tsy nandoto ny akanjony; ary miakanjo fotsy no hiara-mandeha amiko ireo, satria mendrika.

5«Izay maharesy dia hampiakanjoina akanjo fotsy toy izany koa; tsy hamono ny anarany ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay Aho; ary hanaiky azy ho mpomba Ahy eo anatrehan’ny Raiko sy ny *anjeliny.

6«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana.»

dimanche 28 juillet 2019

Alahady 28 Jolay 2019 - Sal 68 : 7 - 14

7Ny manirery omeny ankohonana,
ny voagadra avoakany ho afaka.
Ny mpikomy ihany no hitoetra
any amin’ny tany karankaina.

8Andriamanitra ô, fony Ianao niainga
mba hialoha ny vahoakanao
ka namakivaky izany taniefitra,

9dia nihovotrovotra ny tany,
nanorana koa ny habakabaka
teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Sinay,
teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Israely.
10Ranonoram-pitahiana no narotsakao
ka velombelona terỳ ilay taninao lany hery.
11Tao ny vahoakanao no niorim-ponenana,
fa izany no namboarinao ho an’ny ory
satria tsara fo Ianao, Andriamanitra ô.

12Injao ny Tompo mandefa hafatra,
ka dia zavon-tany ny vehivavy
mitondra ny vaovao manao hoe:
13«Samy vaky nandositra avokoa
na mpanjaka na tafika fahavalo.
Ireo vehivavy tavela tao an-trano
dia mizarazara ny zavatra voababo.
14Na ianareo tsy mba niady aza
fa nijanona niandry valan’ondry,
dia ho tahaka ny voromahailala
misy elany mirava-bolafotsy
sy volony mirava-bolamena tsara.

samedi 27 juillet 2019

Sabotsy 27 Jolay 2019 - Kol 2 : 1 - 7

1Eny, tiako ho fantatrareo fa miezaka mafy tokoa aho hanasoavana anareo sy izay any Laôdisia mbamin’izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako velively. 2Miezaka mafy aho mba ho tafaray tsara amin’ny fitiavana izy ireo ka hampaherezina ny fony ary mba hanan-toky be dia be vokatry ny fahazavan-tsaina omen’Andriamanitra; hany ka ho fantatr’izy ireo tsara ilay tsiambaratelon’Andriamanitra, dia i Kristy: 3fa miafina ao amin’i Kristy ny rakitra rehetra momba ny fahendrena sy ny fahalalana avy amin’Andriamanitra.

4Lazaiko aminareo izany mba tsy hahavoafitaka anareo amin’ny fandrebirebena tsara lahatra. 5Fa na dia lavitra anareo aza aho ara-batana, dia eo aminareo ihany am-panahy; ka faly aho mahita fa milamina tsara ianareo ary ijoroanareo mafy ny finoanareo an’i Kristy.

6Noho ianareo efa nandray an’i Kristy Jesoa ho Tompo, dia manaova fitondrantena toy ny olona tafaray aminy. 7Aoka hahazo vahatra sy hiorina ao amin’i Kristy ianareo; aoka hihamafy hatrany ny finoanareo araka izay efa nampianarina anareo, ary aoka ho feno fisaorana an’Andriamanitra ianareo.

vendredi 26 juillet 2019

Zoma 26 Jolay 2019 - Jer 46 : 27 - 28

27Aza matahotra kosa ianareo,
ry taranak’i Jakôba mpanompoko.
Aza kivy ianao, ry firenena Israely,
fa indro Aho hamonjy anao
avy any amin’ny faritany lavitra any;
indro Aho hamonjy ireo taranakao
avy any amin’ny tany izay nahababo azy.
Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba,
ka hiadana sy handry feizay
fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
28Ry taranak’i Jakôba mpanompoko,
aza matahotra ianareo,
satria Izaho no miaraka aminareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Hofongorako ny firenen-kafa rehetra
izay nanelezako anareo;
ianareo kosa tsy mba hofongorako,
na dia tsy maintsy faiziko
araka ny hitsiny ihany aza
fa tsy havelako ho afa-maina!

jeudi 25 juillet 2019

Alakamisy 25 Jolay 2019 - Mar 6 : 47 - 56

47Efa maizina ny andro no teo ampovoan’ny farihy ny sambokely, ary i Jesoa irery sisa teny an-tanety; 48hitany fa sahirana mafy ny mpianatra nivoy ny sambokely, satria notohain’ny rivotra ry zareo. Ary tokony ho tamin’ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony farihy ka efa hihoatra azy. 49Nahatazana an’i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ary nihevitra Azy ho matoatoa, ka niantsoantso mafy. 50Samy nahatazana an’i Jesoa izy rehetra ka raiki-tahotra.

Avy hatrany dia niteny taminy anefa i Jesoa ka nanao hoe:
–Matokia, fa Izaho ity. Aoka izay ny tahotra!

51Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra, 52satria tsy azony an-tsaina ilay nampitomboana ny mofo, noho ny hamafin’ny fony.

53Ary nony tafita ny rano i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia tonga tao amin’ny faritanin’i Genesareta, ka niantsona teo. 54Rehefa niala tao an-tsambokely ry zareo, dia nahafantatra an’i Jesoa avy hatrany ny olona, 55ka lasa nitety haingana ny faritany manontolo ary nitondra ny marary tamin’ny filanjana hankany amin’izay reny fa nisy Azy. 56Ary tany amin’ny toerana rehetra nalehan’i Jesoa, na tanàna kely na tanàn-dehibe na ambanivohitra, dia teny amin’ny kianja no nametrahana ny marary; ary dia niangavian’ny olona i Jesoa mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany fotsiny ihany aza; ary izay rehetra nikasika Azy dia sitrana avokoa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12