47Efa maizina ny andro no teo ampovoan’ny farihy ny sambokely, ary i Jesoa irery sisa teny an-tanety; 48hitany fa sahirana mafy ny mpianatra nivoy ny sambokely, satria notohain’ny rivotra ry zareo. Ary tokony ho tamin’ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony farihy ka efa hihoatra azy. 49Nahatazana an’i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ary nihevitra Azy ho matoatoa, ka niantsoantso mafy. 50Samy nahatazana an’i Jesoa izy rehetra ka raiki-tahotra.
Avy hatrany dia niteny taminy anefa i Jesoa ka nanao hoe:
–Matokia, fa Izaho ity. Aoka izay ny tahotra!
51Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra, 52satria tsy azony an-tsaina ilay nampitomboana ny mofo, noho ny hamafin’ny fony.
53Ary nony tafita ny rano i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia tonga tao amin’ny faritanin’i Genesareta, ka niantsona teo. 54Rehefa niala tao an-tsambokely ry zareo, dia nahafantatra an’i Jesoa avy hatrany ny olona, 55ka lasa nitety haingana ny faritany manontolo ary nitondra ny marary tamin’ny filanjana hankany amin’izay reny fa nisy Azy. 56Ary tany amin’ny toerana rehetra nalehan’i Jesoa, na tanàna kely na tanàn-dehibe na ambanivohitra, dia teny amin’ny kianja no nametrahana ny marary; ary dia niangavian’ny olona i Jesoa mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany fotsiny ihany aza; ary izay rehetra nikasika Azy dia sitrana avokoa.