13–Ianareo no sira hanasoa ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no fanome hasina azy? Tsy misy antony intsony izy fa dia ariam-potsiny any ivelany hohitsakitsahin’ny olona. 14Ianareo no fahazavana ho an’izao tontolo izao; tsy azo afenina ny tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. 15Ary tsy misy mampirehitra jiro ka hametraka azy ao ambany vata famarana; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. 16Aoka hamiratra eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo Izay any an-danitra.
vendredi 30 avril 2021
jeudi 29 avril 2021
Alakamisy 29 Aprily 2021 - I Jao 2 : 1 - 2
1Izany, rey anaka, no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy olona manota, dia manana mpisolovava eo anilan’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina. 2Izy no sorom-panonerana amelana ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
mercredi 28 avril 2021
Alarobia 28 Aprily 2021 - Jod 17 - 25
17Ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain’ireo apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika; 18satria izao no voalazany taminareo: «Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, hiaina araka ny filàn’ny haratsiam-panahiny.» 19Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin’ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin’Andriamanitra. 20Ianareo kosa, ry hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoana masina indrindra efa anananareo, ka mivavaha ombàn’ny herin’ny Fanahy Masina; 21mitahiriza tena ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ka mahandrasa ny famindrampon’i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo fiaina-maharitra mandrakizay. 22Reseo lahatra ny sasany izay miahanahana; 23ny sasany indray, sariho ho afaka amin’ny afo no famonjy azy; ary ny sasany kosa amindrao fo, saingy mitandrema tsara ka ankahalao na dia ny akanjo voaloton’ny maha olona mpanota azy aza.
24Ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin’ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan’ny voninahiny; 25Izy no Mpamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Eny, ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra sy ny laza ary ny fanjakana sy ny fahefana hatramy talohan’ny taona rehetra sy ankehitriny ary mandrakizay! Amen.
mardi 27 avril 2021
Talata 27 Aprily 2021 - Mat 18 : 10 - 14
10–Tandremo fandrao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’itony madinika itony aza. Eny, lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireny, any an-danitra, dia manatrika lalandava ny Raiko Izay any an-danitra. 11[Satria ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’olona.]
12Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato ka mania ny anankiray, moa tsy hamela ny 99 eo an-tampon-kavoana ve izy ary hiezaka hitady ilay nania? 13Ary raha tàhiny ilay nania ka hitan’ny tompony, dia lazaiko marina aminareo fa hifaliany bebe kokoa noho ny 99 tsy nania. 14Toy izany koa, tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’itony madinika itony aza!
lundi 26 avril 2021
Alatsinainy 26 Aprily 2021 - II Kor 13 : 1 - 4
1Izao no fanintelony hankanesako atỳ aminareo. Hoy ny Soratra Masina hoe: «Ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no aoka hitombenan’ny raharaha rehetra.» 2Amin’izao hahatongavako izao àry, dia tsy hananako antra intsony ireo nanota teo aloha sy ny hafa rehetra: efa voalazako izany fony aho tany aminareo fanindroany, nefa dia antitranteriko ankehitriny amin’izao aho tsy atỳ aminareo izao. 3Tadiavinareo ny hahitana porofo fa i Kristy no miteny ato anatiko; ka tsy fahalemena no ampiharin’i Kristy aminareo, fa hery no asehony eo anivonareo. 4Voahombo tamin’ny hazofijaliana i Kristy noho ny fahalemeny, kanefa dia velona kosa izao noho ny herin’Andriamanitra. Miombona amin’ny fahalemen’i Kristy izahay ankehitriny; kanefa hiseho fa velona miaraka amin’i Kristy izahay, ka ny herin’Andriamanitra no hampiharinay aminareo.
samedi 24 avril 2021
Sabotsy 24 Aprily 2021 - Nom 17 : 9 - 14
9Ary niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
10–Mialà ianareo amin’io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho.
Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy, 11ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna:
–Raiso ny fitaovam-panembohana, dia asio vainafo avy amin’ny alitara sy vovo-javamanitra ary mankanesa haingana eo amin’ny fiangonana ka manaova ny fombam-pivavahana hahazoany famelan-keloka. Fa efa nisafoaka ny fahatezeran’ny TOMPO ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
12Noraisin’i Aharôna araka ny tenin’i Mosesy ny fitaovana fandoroana zava-manitra, dia nilomay nankeo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro fa efa niantomboka tamin’ny vahoaka ny loza. Nandoro vovo-javamanitra teo izy ka nanao ny fombam-pivavahana hahazoam-pamelan-keloka ho an’ny vahoaka. 13Nijoro teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza mandringana. 14Kanefa 14 700 no niharan-doza, afa-tsy ireo efa maty tamin’ny raharahan’i Kôra.
vendredi 23 avril 2021
Zoma 23 Aprily 2021 - Mar 10 : 41 - 45
41Nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Jôhany. 42Fa nantsoin’i Jesoa hanatona azy izy rehetra ka nilazany hoe:
–Fantatrareo fa, eo amin’ny hafa firenena, ireo heverina hoe filohany dia manjakazaka; ary ny lehibeny dia manampatra fahefana. 43Tsy mba toy izany kosa eo aminareo; fa izay te ho lehibe eo aminareo dia ho mpiasanareo, 44ary izay te ho voalohany eo aminareo dia ho mpanomponareo. 45Satria tsy hotompoina no nahatongavan’ny Zanak’olona, fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...