Affichage des articles dont le libellé est Mampiorina ny mino ny fanavotan'I Kristy. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Mampiorina ny mino ny fanavotan'I Kristy. Afficher tous les articles

mardi 18 mai 2021

Talata 18 May - Sal 104 : 24 - 30

 24Endrey ity hamaroan’ny asanao, TOMPO ô!

Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra:

henika ny zava-boaarinao ny tany!

25Ny ranomasina, indro lehibe sy midadasika;

ao no miriaria tsy tambo isaina

na ny biby madinika na ny vaventy;

26ao no mivezivezy ny sambo; ao koa i Leviatàna,

ilay trozona namboarinao ho tsilalaonao.

27Izy rehetra ireny dia miankina aminao,

mba hanome hanina azy ara-potoana.

28Raha manome Ianao, dia mandray izy;

raha sokafanao ny tananao,

dia voky zava-tsoa izy.

29Raha lavinao ny hijery azy,

dia mitebiteby izy;

raha alainao ny ainy, dia maty izy

ka miverina ho vovoka indray.

30Alefanao ny Fanahinao, dia ary indray ireo

ka mihavao ny zavatra rehetra eto ambonin’ny tany.

vendredi 30 avril 2021

Zoma 30 Aprily 2021 - Mat 5 : 13 - 16

 13–Ianareo no sira hanasoa ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no fanome hasina azy? Tsy misy antony intsony izy fa dia ariam-potsiny any ivelany hohitsakitsahin’ny olona. 14Ianareo no fahazavana ho an’izao tontolo izao; tsy azo afenina ny tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. 15Ary tsy misy mampirehitra jiro ka hametraka azy ao ambany vata famarana; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. 16Aoka hamiratra eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo Izay any an-danitra.

jeudi 29 avril 2021

Alakamisy 29 Aprily 2021 - I Jao 2 : 1 - 2

1Izany, rey anaka, no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy olona manota, dia manana mpisolovava eo anilan’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina. 2Izy no sorom-panonerana amelana ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.

mercredi 28 avril 2021

Alarobia 28 Aprily 2021 - Jod 17 - 25

 17Ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain’ireo apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika; 18satria izao no voalazany taminareo: «Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, hiaina araka ny filàn’ny haratsiam-panahiny.» 19Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin’ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin’Andriamanitra. 20Ianareo kosa, ry hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoana masina indrindra efa anananareo, ka mivavaha ombàn’ny herin’ny Fanahy Masina; 21mitahiriza tena ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ka mahandrasa ny famindrampon’i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo fiaina-maharitra mandrakizay. 22Reseo lahatra ny sasany izay miahanahana; 23ny sasany indray, sariho ho afaka amin’ny afo no famonjy azy; ary ny sasany kosa amindrao fo, saingy mitandrema tsara ka ankahalao na dia ny akanjo voaloton’ny maha olona mpanota azy aza.

24Ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin’ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan’ny voninahiny; 25Izy no Mpamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Eny, ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra sy ny laza ary ny fanjakana sy ny fahefana hatramy talohan’ny taona rehetra sy ankehitriny ary mandrakizay! Amen.

mardi 27 avril 2021

Talata 27 Aprily 2021 - Mat 18 : 10 - 14

 10–Tandremo fandrao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’itony madinika itony aza. Eny, lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireny, any an-danitra, dia manatrika lalandava ny Raiko Izay any an-danitra. 11[Satria ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’olona.]

12Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato ka mania ny anankiray, moa tsy hamela ny 99 eo an-tampon-kavoana ve izy ary hiezaka hitady ilay nania? 13Ary raha tàhiny ilay nania ka hitan’ny tompony, dia lazaiko marina aminareo fa hifaliany bebe kokoa noho ny 99 tsy nania. 14Toy izany koa, tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’itony madinika itony aza!

lundi 26 avril 2021

Alatsinainy 26 Aprily 2021 - II Kor 13 : 1 - 4

 1Izao no fanintelony hankanesako atỳ aminareo. Hoy ny Soratra Masina hoe: «Ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no aoka hitombenan’ny raharaha rehetra.» 2Amin’izao hahatongavako izao àry, dia tsy hananako antra intsony ireo nanota teo aloha sy ny hafa rehetra: efa voalazako izany fony aho tany aminareo fanindroany, nefa dia antitranteriko ankehitriny amin’izao aho tsy atỳ aminareo izao. 3Tadiavinareo ny hahitana porofo fa i Kristy no miteny ato anatiko; ka tsy fahalemena no ampiharin’i Kristy aminareo, fa hery no asehony eo anivonareo. 4Voahombo tamin’ny hazofijaliana i Kristy noho ny fahalemeny, kanefa dia velona kosa izao noho ny herin’Andriamanitra. Miombona amin’ny fahalemen’i Kristy izahay ankehitriny; kanefa hiseho fa velona miaraka amin’i Kristy izahay, ka ny herin’Andriamanitra no hampiharinay aminareo.

samedi 24 avril 2021

Sabotsy 24 Aprily 2021 - Nom 17 : 9 - 14

 9Ary niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:

10–Mialà ianareo amin’io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho.

Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy, 11ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna:

–Raiso ny fitaovam-panembohana, dia asio vainafo avy amin’ny alitara sy vovo-javamanitra ary mankanesa haingana eo amin’ny fiangonana ka manaova ny fombam-pivavahana hahazoany famelan-keloka. Fa efa nisafoaka ny fahatezeran’ny TOMPO ary efa miantomboka ny areti-mandringana.

12Noraisin’i Aharôna araka ny tenin’i Mosesy ny fitaovana fandoroana zava-manitra, dia nilomay nankeo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro fa efa niantomboka tamin’ny vahoaka ny loza. Nandoro vovo-javamanitra teo izy ka nanao ny fombam-pivavahana hahazoam-pamelan-keloka ho an’ny vahoaka. 13Nijoro teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza mandringana. 14Kanefa 14 700 no niharan-doza, afa-tsy ireo efa maty tamin’ny raharahan’i Kôra.

vendredi 23 avril 2021

Zoma 23 Aprily 2021 - Mar 10 : 41 - 45

 41Nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Jôhany. 42Fa nantsoin’i Jesoa hanatona azy izy rehetra ka nilazany hoe:

–Fantatrareo fa, eo amin’ny hafa firenena, ireo heverina hoe filohany dia manjakazaka; ary ny lehibeny dia manampatra fahefana. 43Tsy mba toy izany kosa eo aminareo; fa izay te ho lehibe eo aminareo dia ho mpiasanareo, 44ary izay te ho voalohany eo aminareo dia ho mpanomponareo. 45Satria tsy hotompoina no nahatongavan’ny Zanak’olona, fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!

jeudi 22 avril 2021

Alakamisy 22 Aprily 2021 - I Kor 15 : 1 - 11

 1Tiako hampahatsiahivina anareo, ry havako, ilay Vaovao Mahafaly izay notorîko taminareo ka noraisinareo sady ifikiranareo. 2Izany Vaovao Mahafaly izany no amonjena anareo koa, raha tananareo araka ny nitoriako azy; raha tsy izany kosa dia ninonino foana ianareo.

3Izao no fampianarana isan’ny voalohany indrindra voaraiko ary nampitaiko taminareo: i Kristy dia maty ho fanalana ny fahotantsika araka ny voalazan’ny Soratra Masina, 4nalevina, nitsangana velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina, 5ary niseho tamin’i Petera, vao tamin’ny 12 lahy. 6Manaraka izany, dia mpianany mihoatra ny 500 no indray nisehoany: mbola velona mandraka androany ny ankamaroany amin’ireo, fa ny sasany ihany no efa nodimandry. 7Taorian’izay, dia nisehoany koa i Jakôba, vao ny apôstôly rehetra.

8Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho, izay toy ny zaza tsy tonga volana. 9Raha izaho manko dia faraidiny amin’ny samy apôstôly, ka tsy mendrika hantsoina hoe apôstôly satria efa nanenjika ny Fiangonan’Andriamanitra. 10Saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apôstôly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko. 11koa izany àry no torînay, na izaho na ry zareo; ary izany no efa ninoanareo.

mercredi 21 avril 2021

Alarobia 21 Aprily 2021 - Isa 48 : 11 - 22

 11Noho ny amiko no nanaovako izany,

eny, noho ny amiko ihany,

satria tsy zakako velively

ny hanalam-baràka ny anarako;

ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

Ilay hanatanteraka ny fikasan’ny Tompo

12Hoy ny TOMPO hoe: «Ry firenen’i Jakôba,

ry vahoaka Israely izay nantsoiko,

henoy Aho: Izaho no Ilay tsy miova,

Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.

13Eny, ny tanako no nametraka ny fanorenan’ny tany;

ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra.

Raha antsoiko ireo, dia miara-miseho avokoa.

14Mivoria ka mihainoa ianareo rehetra:

Ilay tiako no hanatanteraka

izay sitrapoko amin’i Babilôna

sy amin’ny taranaky ny Kaldeanina.

Kanefa iza taminareo moa

no nanambara izany? Tsy misy.

15Izaho, eny, Izaho no niteny;

Izaho mihitsy no niantso azy

ka nanao izay hahatongavany

sy hampahomby izay hataony.

16Manatòna Ahy ianareo ka henoy izao:

Efa hatrany am-boalohany

no nitenenako an-karihary;

ary teo Aho hatramin’ny vaninandro

izay nisehoan’izany zavatra izany.»

(Ankehitriny dia Ilay Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy

no naniraka ahy sy nanome ahy ny Fanahiny.)


17Ry firenen’i Jakôba, ny TOMPO mpanavotra anao,

Ilay Masin’i Israely dia miteny aminao hoe:

«Izaho TOMPO Andriamanitrao

no mampianatra anao izay mahasoa anao

sy mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao.

18Raha mba nihaino tsara ny didiko manko ianao,

dia ho nikoriana toy ny ony ny fiadananao;

ary ho toy ny onjan-dranomasina

no fiavin’ny fanafahana anao!

19Ny taranaka haloaky ny kibonao ho marobe

toy ny fasika eny amoron-dranomasina;

tsy ho tapaka na ho foana

eo anatrehako ny anarany.»


20Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira avy ao Kaldea!

Amin’ny horakora-pifaliana no anambarao

izao vaovao mahafaly izao,

hatrany amin’ny faran’ny tany;

torio ary aelezo izany, ka lazao hoe:

«Ny TOMPO no nanavotra ny firenen’i Jakôba mpanompony!»

21Tsy nangetaheta ireo olony

tamin’ny nitondrany azy tany an-taniefitra.

Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy:

eny, novakîny ny vatolampy ka nandriaka ny rano.

22Tsy misy fiadanana ho an’ny olon-dratsy, hoy ny TOMPO.

mardi 20 avril 2021

Talata 20 Aprily 2021 - Lio 1 : 67 - 75

67Feno ny Fanahy Masina i Zakarià, rain’ny zazakely, ka nilaza faminaniana toy izao:

68–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr’i Israely,

noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!

69Mpamonjy mahery ho antsika no najorony

avy amin’ny taranak’i Davida mpanompony,

70araka ny efa nambarany hatramin’ny fahagola

tamin’ny alalan’ireo mpaminany masina:

71dia Mpamonjy hanafaka antsika amin’ny fahavalontsika

sy amin’ny tanan’ireo mpankahala rehetra.

72Namindra fo tamin’ny razantsika Andriamanitra

sady nahatsiaro ilay fanekempihavanana masina

73mbamin’ilay fianianana izay nataony

tamin’i Abrahama razantsika:

74dia ny hanala antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika,

ary ny hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,

75fa amin-toetra masina sy marina eo anatrehany

mandritra ny andro rehetra iainantsika.

lundi 19 avril 2021

Alatsinainy 19 Aprily 2021 - I Tim 2 : 1 - 7

 1Hafatrafarako voalohany indrindra àry ny hanaovana fangatahana sy fivavahana ary fitalahoana sy fisaorana amin’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra; 2mivavaha ho an’ireo filoham-pirenena sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay ombàn’ny firaiketam-po tanteraka amin’Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina. 3Izany no tsara sady sitrak’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahalalan’izy rehetra ny finoana marina. 5Satria iray Andriamanitra, iray koa ny mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesoa Izay olona 6nanolo-tena ho fanavotana ny olona rehetra: izany no porofo mby amin’ny fotoanandrony tokoa fa tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra Andriamanitra. 7Ary ny hitory izany no nanendrena ahy ho mpitoriteny sady apôstôly, ho mpampianatra ny finoana tena izy amin’ny hafa firenena. Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.

dimanche 18 avril 2021

Alahady 18 Aprily 2021 - Heb 2 : 14 - 18

 14Koa satria moa olombelona nofo aman-dra ireo zaza, dia tonga olombelona tahaka azy koa i Jesoa. Izany no nataony, dia ny mba handalovany amin’ny fahafatesana ka hahatonga ilay mitana ny herin’ny fahafatesana, izany hoe ny devoly, tsy hahavita na inona na inona intsony 15ary koa ny mba hanafahany an’izay rehetra voagejan’ny tahotra ny fahafatesana ka nandevozina nandritra ny androm-piainany manontolo. 16Miharihary tokoa fa tsy anjely velively no vonjen’i Jesoa, fa ireo taranak’i Abrahama. 17Koa amin’ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tahaka ireo zandriny Izy, ka ho tonga Mpisorombe mamindra fo sy mahatoky eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, mba hanonitra ny heloky ny vahoaka. 18Fa noho ny tenan’io Mpisorombe io niaritra fijaliana sy nalaim-panahy, dia mahavonjy izay rehetra alaim-panahy koa Izy.

vendredi 16 avril 2021

Zoma 16 Aprily 2021 - Asa 10 : 34 - 43

 34Dia niteny i Petera ka nanao hoe:

–Azoko tsara ankehitriny, fa tsy mba mijery tavan’olona Andriamanitra. 35Eny, ankasitrahin’Andriamanitra avokoa izay olona manaja Azy sy manao ny rariny na aiza na aiza firenena misy azy. 36Fantatrareo ny teny nampitondrain’Andriamanitra ho an’ny vahoaka Israely, anambaràny ny Vaovao Mahafaly: dia ny fampihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay Tompon’ny olona rehetra. 37Fantatrareo ny zava-nitranga tany Galilea aloha ary dia nanerana an’i Jodea, taorian’ny toriteny sy ny batisa nataon’i Jôhany: 38nandrotsahan’Andriamanitra ny herin’ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefàn’ny devoly, satria nombàn’Andriamanitra Izy. 39Izahay dia vavolombelona nahita ny zavatra rehetra nataony manerana ny tanin’ny Jiosy sy tao Jerosalema. Io Jesoa io dia nahanton’ny olona tamin’ny hazofijaliana no namonoany Azy, 40nefa natsangan’Andriamanitra ho velona tamin’ny andro fahatelo. Nasehon’Andriamanitra miharihary Izy, 41tsy tamin’ny vahoaka ankapobeny fa taminay vavolombelona efa notendren’Andriamanitra mialoha hanambara an’i Jesoa. Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay taorian’ny nananganan’Andriamanitra Azy ho velona avy any amin’ny maty; 42ary nomeny baiko mba hitory amin’ny vahoaka sy ho vavolombelona manambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. 43Samy mijoro ho vavolombelona momba azy ny mpaminany rehetra ka manambara fa izay rehetra mino Azy dia hahazo famelan-keloka amin’ny anarany.

jeudi 15 avril 2021

Alakamisy 15 Aprily 2021 - Oba 17 - 21

 17Ho ao an-tendrombohitra Tsiôna kosa ireo sisa tavela,

ka hanjary masina indray io toerana io;

ary ho lasan’ny taranak’i Jakôba

ny tanin’ireo naka ny taniny.

18Ny taranak’i Jakôba ho toy ny afo,

ny taranak’i Jôsefa ho toy ny lelafo;

ny taranak’i Hesao kosa ho toy ny mololo

ka harehitr’ireo sy holevoniny,

ary tsy mba hisy sisa tavela amin’ny taranak’i Hesao.

Izaho TOMPO no efa niteny!»

19Ny mponin’i Joda, faritra atsimo, no hahalasa ny tendrombohitr’i Hesao; ny mponin’i Joda, faritr’i Sefelà, no hahalasa ny tanin’ny Filistinina sady hahalasa ny tanin’i Efraîma, izany hoe ny tanin’i Samaria; ary ny taranak’i Benjamîna no hahalasa an’i Gilehàda.

20Ny babo tamin’ny Israelita, izay tafika marobe, no hahalasa ny tanin’ireo Kanahanita hatrany Tsarefàta. Ny babo tamin’ny mponin’i Jerosalema, izay any Sefaràda, no hahalasa ny tanàna any Negèba; 21rehefa afaka amin’ny fahababoana ireo, dia hiakatra ho ao an-tendrombohitra Tsiôna mba hifehy ny tendrombohitr’i Hesao.

Amin’izay ny TOMPO mihitsy no ho mpanjaka.

mercredi 14 avril 2021

Alarobia 14 Aprily 2021 - Efe 5 : 1 - 2

 1Koa manafaha an’Andriamanitra ianareo, satria zanaka lalainy. 2Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.

mardi 13 avril 2021

Talata 13 May 2021 - Sal 71 : 20 - 24

 20Fahoriana be sady mafy

no navelanao hihatra tamiko;

kanefa hovelombelominao indray aho,

ary hampiakarinao indray ho afaka

amin’ny fasana mampihitsoka.

21Dia mbola hampionona indray Ianao

ary hamerina amiko ny voninahitro.

22Izaho kosa hidera Anao amim-baliha

noho ny toetranao mahatoky, ry Andriamanitro ô,

sy hiredona salamo arahin-dokanga

ho Anao, ry ilay Masin’i Israely.

23Eny, hihorakoraka hihoby ho Anao aho

sady hankalaza Anao amin-java-maneno,

satria efa notsimbininao ny aiko.

24Isan’andro no hitanisako ny fahamarinanao,

satria efa menatra sy mangaihay

ireo olona nitady hanisy ratsy ahy.

lundi 12 avril 2021

Alatsinainy 12 Aprily 2021 - Lio 24 : 13 - 24

 13Iny andro alahady iny ihany, dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny tanàna kely atao hoe Emaosy, tokony ho 11 kilaometatra avy ao Jerosalema. 14Ary teny an-dalana izy roa lahy dia niresaka ireny zava-nitranga rehetra ireny. 15Raha mbola niresaka sy niady hevitra iny izy roa lahy, dia intỳ i Jesoa nanatona niara-dalana taminy; 16saingy voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’ireto mpianatra. 17Dia hoy i Jesoa taminy:

–Inona izao iadianareo hevitra etỳ an-dalana izao?

Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika erỳ. 18Ary namaly Azy ny anankiray atao hoe Kleôpasy ka nanao hoe:

–Ianao irery ve no vahiny mandalo eto Jerosalema tsy mahalala ny zava-nitranga tao, tato ho ato?

19Dia hoy i Jesoa taminy:

–Zavatra inona moa izany?

Ka novalian’izy roa lahy hoe:

–Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, Izay mpaminany mahery tamin’ny asany sy tamin’ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka manontolo; 20kanjo natolotry ny lohandoha-mpisorona sy ny manampahefana eto amintsika mba hohelohina ho faty ary nasainy nohomboana tamin’ny hazofijaliana. 21Nanantena izahay fa Izy no Ilay hanavotra an’i Israely, ary tsy izany ihany fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nitrangan’izany. 22Nisy ihany anefa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra: tany amin’ny fasana vao maraina be ry zareo, 23saingy tsy nahita ny vatan’i Jesoa, ary niverina nitantara taminay fa nisehoan’ny anjely anankiroa, ka ireo anjely, hono, nilaza fa velona Izy. 24Dia nisy tamin’ny lehilahy namanay mba nankany amin’ny fasana ka nahita araka ny filazan’ireo vehivavy, fa Izy tsy hitany.

dimanche 11 avril 2021

Alahady 11 Aprily 2021 - Rot 4 : 1 - 12

 1Dia niakatra ho eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha i Bôhaza, ka nipetraka teo. Ary indro nandalo ilay havana mahavotra voalazan’i Bôhaza, ka nantsoiny hoe:

–Avia kely ianao, ranona, mipetraha eto.

Dia nanatona izy, ary nipetraka. 2Dia naka folo lahy tamin’ny loholona tao an-tanàna i Bôhaza, ka nanao hoe:

–Mipetraha eto ianareo.

Ary rehefa nipetraka ireo, 3dia hoy i Bôhaza tamin’ilay havana mahavotra:

–Vidio ny saha izay an’i Elimelèka izay havantsika fa amidin’i Nahômỳ izao izy tafaverina avy tany amin’ny faritr’i Môaba izao. 4Tapa-kevitra aho manko fa hampandre anao mba hampividy anao azy eo anatrehan’ireo olona manatrika eto sy ireo loholona. Koa raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tsy hanavotra ianao, dia ambarao ahy ho fantatro, satria tsy misy afa-tsy ianao no tokony hanavotra ary izaho no manarakaraka anao.

Ary hoy ny navaliny hoe:

–Izaho no hanavotra!

5Dia hoy kosa i Bôhaza:

–Amin’ny andro ividiananao ny saha eo an-tanan’i Nahômỳ, dia halainao ho vady koa i Rota vehivavy môabita mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.

6Fa novalian’ilay havana mahavotra hoe:

–Tsy afaka hanavotra ho an’ny tenako aho raha izany, sao manimba ny anjara lovako. Avoty ho anao izay tokony havotako fa tsy afaka hanavotra aho.

7Fa taloha, tany Israely, raha misy manavotra lova na mifanakalo fananana, dia esorin’ny olona ny kapany ka omeny ny namany, mba hanamafy ny faharaiketan’ny raharaha. Tany Israely dia izany no antoka fa raikitra ny raharaha. 8Ka ilay havana mahavotra, raha niteny tamin’i Bôhaza hoe «Vidio ho anao izany», dia nanaisotra ny kapany sy nanome azy an’i Bôhaza. 9Tamin’izany dia hoy i Bôhaza tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra:

–Ianareo no vavolombelona manatri-maso androany fa efa novidiko teo an-tanan’i Nahômỳ izay rehetra an’i Elimelèka sy izay rehetra an’i Kiliôna sy i Mahalôna; 10miaraka amin’izany koa i Rota, vehivavy môabita, dia efa noraisiko ho vadiko mba hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany, ka tsy ho tapaka ny anaran’ny maty eo amin’ny mpiara-monina sy eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha.

11Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe:

–Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao! 12Enga anie ny tokantranonao ho tahaka ny an’i Peretsa, izay naterak’i Tamara reniny tamin’i Joda, ka ho betsaka ny taranaka izay homen’ny TOMPO anao amin’ity vehivavy tanora ity!

vendredi 9 avril 2021

Zoma 09 Aprily 2021 - Deo 32 : 40 - 43

 40Manangan-tanana amin’ny lanitra Aho,

ka mianiana hoe: ‹Velona mandrakizay Aho,

41ka horanitiko hanelatselatra ny sabatro,

harangarangan’ny tanako ny famaizana,

dia hovaliako ny mpandrafy Ahy

ary hampanodiaviko ny mpankahala Ahy ny ataony.

42Hataoko vonton-dra ny zana-tsipîkako,

dia ny ran’ireo voavono sy voababo;

hotrebotrebonin’ny sabatro ny nofo

mbamin’ny loha lavavolon’ny fahavalo›!»

43Ry hafa firenena, hobio ilay vahoakan’Andriamanitra!

Fa valian’ny TOMPO ny nahafatesan’ny mpanompony;

eny, valiany tokoa ireo mpandrafy Azy,

ary avotany kosa ny taniny mbamin’ny vahoakany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12