dimanche 22 août 2021

Alahady 22 Aogositra 2021 - Mar 12 : 41 - 44

 41Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive, ka hanameloka azy; fa niala tamin’ny toetra ratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin’i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto. 42Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo, ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy mba hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!

43–Rehefa miala amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mivezika etsy mivezika eroa any an-tany karakaina, mitady toerana hialana sasatra kanefa tsy mahita. 44Amin’izay dia hoy izy hoe: «Hody any amin’ny tranoko izay nialako ihany aho.» Miverina izy ary mahita ny tranony teo aloha foana sy voafafa ary voalamina.

samedi 21 août 2021

Sabotsy 21 Aogositra 2021 - I Pet 5 : 1 - 4

 1Mananatra ny loholom-piangonana eo aminareo aho, dia izaho loholona tahaka azy ireo sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary koa mpiombona amin’ny voninahitra efa haseho. 2Aoka ianareo ho mpiandry ny andianondry napetrak’Andriamanitra hiandraiketanareo, ka hitandrina azy tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra: tsy amim-pitiavan-karena fa amin-jotom-po, 3tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fakàn-tahaka harahin’ny andianondry; 4ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo.

vendredi 20 août 2021

Zoma 20 Aogositra 2021 - Jao 14 : 12 - 14

 12Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia hanao ny asa ataoko ihany koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho. 13Ary na inona na inona angatahinareo noho ny anarako, dia hataoko izany, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. 14Raha noho ny anarako no angatahanareo zavatra amiko, dia hataoko izany.

jeudi 19 août 2021

Alakamisy 19 Aogositra 2021 - II Kor 9 : 6 - 15

  6Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be. 7Aoka samy hanome araka izay nokasain’ny fony avy, tsy amin’alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian’Andriamanitra. 8Ary hain’Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany, 9araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:

«Malala-tanana izy nanome ny mahantra;

maharitra mandrakizay ny asa fiantrany.»

10Andriamanitra, Izay miantoka masomboly ho an’ny mpamafy sy hanin-kohanina, no hiantoka masomboly ho anareo sy hampitombo azy, ka hampamokatra be dia be ny asa fiantrana ataonareo. 11Hataon’Andriamanitra hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo mba hahafoy be amin’ny fanasoavana isan-karazany; ka hahatonga ny olona hisaotra an’Andriamanitra noho ny fanomezanareo entinay ho azy ireo. 12Satria ny fanaovana izao asa famoriam-bola izao dia tsy hoe mahafa-pahasahiranana ny vahoakan’Andriamanitra any Jodea fotsiny, fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa. 13Misy vidiny tokoa izao asa fanasoavana izao, ka maro no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny fanoavana anehoanareo fa inoanareo ny Vaovao Mahafaly nentin’i Kristy; maro koa no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo any Jodea sy tamin’ny olona rehetra. 14Hivavaka ho anareo izy rehetra, fa ankamamiany tokoa ianareo satria nihoa-pampana ny fahasoavana nomen’Andriamanitra anareo. 15Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay visavisaina!

mercredi 18 août 2021

Alarobia 18 Aogositra 2021 - Mat 7 : 15 - 23

 15–Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra. 16Ny asany no hahafantaranareo ny mpaminany sandoka: fa foto-tsilo tsy ahazoana voaloboka; ary songosongo tsy ahazoana voanaviavy. 17Dia toy izany: ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. 18Tsy mba hazo tsara no mety hamoa voa ratsy, na hazo ratsy no mety hamoa voa tsara. 19Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy ao anaty afo. 20Koa dia ny asany no hahafantaranareo ny mpaminany sandoka.

21–Tsy izay rehetra manao amiko hoe: «Tompo ô! Tompo ô!», no hiditra any amin’ny Fanjakàn’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. 22Amin’izany andro izany, dia maro no hanao amiko hoe: «Tompo ô, Tompo ô, tsy efa nilaza hafatra tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nandroaka demony tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nanao asa mahagaga maro tamin’ny anaranao ve izahay?» 23Ary amin’izay no hanambarako aminy hoe: «Tsy fantatro na oviana na oviana ianareo; mialà amiko, ianareo mpanao ratsy!»

mardi 17 août 2021

Talata 17 Aogositra 2021 - Oha 14 : 22 - 27

 22Maniasia ny olona mikasa hanao ratsy;
fa fitiavana sy fihavanana kosa
no ho hitan’izay mikasa hanao soa.
23Ny ezaka tsara rehetra dia misy tombontsoa avokoa,
fa ny fitsaontsaom-bava kosa miteraka fahantrana.
24Ny hareny no satroboninahitry ny hendry;
fa hadalana kosa no ironan’ny adala.
25Ny vavolombelona marina mahavonjy ain’olona,
fa ny vavolombelona sandoka kosa dia fiasan’ny lainga.
26Izay manaja ny TOMPO dia manam-pialofana mahatoky;
ary misy fiarovana koa ho an’ny zanany.
27Ny fanajana ny TOMPO dia loharanom-piainana,
hahazoana miala amin’ny fandrika mahafaty

lundi 16 août 2021

Alatsinainy 16 Aogositra 2021 - Sal 34 : 11 - 22

 KAFA

11Na dia ireo mpanankarena aza,

mety tsy ampy hanina ka ho noana;

fa izay mitady ny TOMPO

tsy mba ho orin-java-tsoa.

LAMEDA

12Avia hihaino ahy ianareo, rey anaka,

fa hampianariko hanaja ny TOMPO.

MEMA

13Raha misy olona mankamamy fiainana

ka te ho ela velona sy ho sambatra,

NONA

14dia tsy maintsy mitandrina tsy hiteny ratsy

ary koa mitandrina tsy hilaza fitaka,

SAMEKA

15hiala amin’ny ratsy ka hanao ny tsara

ary haharitra hikatsaka fiadanana.

HAINA

16Tsinjovin’ny TOMPO ireo olo-marina

ary henoiny hatrany ny antsony.

PE

17Toherin’ny TOMPO kosa ny mpanao ratsy,

ka fongorany tsy eo amin’ny tany

ny fahatsiarovana azy ireny.

TSADE

18Vao miantso vonjy ny olo-marina,

dia henoin’ny TOMPO sy afahany

tamin’izay fahoriany rehetra.

KÔFA

19Fa akaikin’ny torotoro fo IZY

sady mamonjy ny rera-tsaina.

RESA

20Na maro fahoriana aza ny olo-marina,

dia afahan’ny TOMPO amin’izany rehetra izany.

SINA

21Arovan’ny Tompo avokoa ny rantsam-batany

ka tsy hisy tapaka na taolana iray aza.

TAO

22Ho fatin’ny haratsiany kosa ny olon-dratsy

ary hohelohina ny mpankahala olo-marina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12