6Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be. 7Aoka samy hanome araka izay nokasain’ny fony avy, tsy amin’alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian’Andriamanitra. 8Ary hain’Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany, 9araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:
«Malala-tanana izy nanome ny mahantra;
maharitra mandrakizay ny asa fiantrany.»
10Andriamanitra, Izay miantoka masomboly ho an’ny mpamafy sy hanin-kohanina, no hiantoka masomboly ho anareo sy hampitombo azy, ka hampamokatra be dia be ny asa fiantrana ataonareo. 11Hataon’Andriamanitra hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo mba hahafoy be amin’ny fanasoavana isan-karazany; ka hahatonga ny olona hisaotra an’Andriamanitra noho ny fanomezanareo entinay ho azy ireo. 12Satria ny fanaovana izao asa famoriam-bola izao dia tsy hoe mahafa-pahasahiranana ny vahoakan’Andriamanitra any Jodea fotsiny, fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa. 13Misy vidiny tokoa izao asa fanasoavana izao, ka maro no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny fanoavana anehoanareo fa inoanareo ny Vaovao Mahafaly nentin’i Kristy; maro koa no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo any Jodea sy tamin’ny olona rehetra. 14Hivavaka ho anareo izy rehetra, fa ankamamiany tokoa ianareo satria nihoa-pampana ny fahasoavana nomen’Andriamanitra anareo. 15Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay visavisaina!