22Maniasia ny olona mikasa hanao ratsy;
fa fitiavana sy fihavanana kosa
no ho hitan’izay mikasa hanao soa.
23Ny ezaka tsara rehetra dia misy tombontsoa avokoa,
fa ny fitsaontsaom-bava kosa miteraka fahantrana.
24Ny hareny no satroboninahitry ny hendry;
fa hadalana kosa no ironan’ny adala.
25Ny vavolombelona marina mahavonjy ain’olona,
fa ny vavolombelona sandoka kosa dia fiasan’ny lainga.
26Izay manaja ny TOMPO dia manam-pialofana mahatoky;
ary misy fiarovana koa ho an’ny zanany.
27Ny fanajana ny TOMPO dia loharanom-piainana,
hahazoana miala amin’ny fandrika mahafaty
mardi 17 août 2021
Talata 17 Aogositra 2021 - Oha 14 : 22 - 27
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...