mercredi 16 mai 2012
Alarobia 16 May 2012 - Sal 25 : 8 - 15
8. Tsara fo sy mahitsy tokoa ny Tompo ka ny mpanota toroany lalan-kaleha, 9. ny ory tarihiny amin'ny hitsiny sady ampianariny ny sitrapony. 10. Ny torohevitra rehetra ataon'ny TOMPO dia maneho fitiavana tsy miova ho an'izay manaraka ny baiko raketin'ilay fanekem-pihavanany. 11. TOMPO o, mba ho voninahitrao, dia avelao ny heloko na lehibe aza. 12. Raha misy olona manaja ny TOMPO, dia hotoroany ny lalan-kofidina koa izy. 13. Hiaina amim-piadanana izany olona izany; ary ny taranany no handova ny tany . 14. Ireo mpanaja ny TOMPO no anehoany ny tsiambaratelony, satria ampahafantariny azy tokoa izay raketin'ny fanekem-pihavanany. 15. Banjiniko mandrakariva ny TOMPO, fa Izy ihany no hanafaka ahy amin'ny harato namandrihana ahy.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...