mardi 22 mai 2012
Talata 22 May 2012 - Lio 13 : 6 - 9
6 Dia nanao ity fanoharana ity i Jesoa: Nisy aviavy naniry tao amin'ny tanimboalobok'ity lehilahy anankiray. Tonga izy indray mandeha nitady voa tamin'ilay hazo fa tsy nahita. 7 Ka hoy izy tamin'ny mpikarakara ny tanimboaloboka: Etsy ange! efa telo taona misesy izao no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity aho nefa tsy mahita. Kapao io, fa nahoana no mibahan-toerana foana eo? 8 Dia niteny ilay mpiasa nanao taminy hoe: Avelao ihany re izy, tompoko, amin'ity taona ity, fa hohadiko ny manodidina azy ary hasiako zezika; 9 angamba hamoa ihany izy amin'ny taona ho avy, fa hampikapainao raha tsy izany.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...