Affichage des articles dont le libellé est Mandefitra ny marina. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Mandefitra ny marina. Afficher tous les articles

jeudi 31 mai 2012

Alakamisy 31 May 2012 - Gal 5 : 22 - 26


22 Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, 23 fahalemem-panahy, fahononam-po: tsy misy lalana manohitra ny toy izany. 24 Ireo voatokana ho an'i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin'ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin'ny filandratsiny amam-paniriany. 25 Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina koa isika; 26 fa aoka tsy ho be rehaka foana hifampihaika sy hifampialona.

mercredi 30 mai 2012

Alarobia 30 May 2012 - MAt 18 : 21 - 27


21 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa i Petera ka nanontany Azy hoe: Tompo o, impiry moa aho no tokony hamela ny havana iray finoana raha diso amiko izy? Hatramin'ny impito ve? 22 Dia hoy i Jesoa taminy: Tsy hatramin'ny impito ihany no lazaiko aminao fa hatramin'ny impitopolo impito! 23 Koa amin'izany, ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny amin'ny mpanjaka anankiray izay te hampamoaka ireo mpanompony momba ny kaontim-bolany. 24 Raha vao natomboka ny fampamoahana, dia nentina teo anatrehan'ny mpanjaka ity mpanompo izay nananany trosa denary enimpolo tapitrisa. 25 Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain'ny tompony hamidy ho andevo ny tenan'ilay mpanompo mbamin'ny vady aman-janany ary hamidy koa ny fananany rehetra, mba handoavana ny trosa. 26 Dia niantoraka sy niankohoka teo anoloan'ny mpanjaka ilay mpanompo sady nanao hoe: Mba omeo andro re aho fa haloako avokoa ny anao! 27 Onena azy kosa ilay tompony ka namoy ny trosa taminy ary nandefa azy.

mardi 29 mai 2012

Talata 29 May 2012 - Isa 44 : 1 - 5


1. Fa ankehitriny kosa mihainoa, ry firenen'i Jakoba mpanompoko, ry vahoaka Israely izay nofidiko. 2. Izaho TOMPO izay mpanao anao, ka namorona anao hatrany am-bohoka sy manampy anao no indro milaza aminao hoe: Aza matahotra, ry firenen'i Jakoba mpanompoko ilay Jesorona izay nofidiko. 3. Fa hanosaka rano amin'izay mangetaheta Aho sy hampandriaka renirano amin'ny tany mangentana. Hatosako amin'ny zanakao ny Fanahiko ary amin'ny taranakao ny fitahiako. 4. Handrobona toy ny solofom-bolotara na toy ny hazo malahelo eny amoron-drano izy. 5. Ny anankiray hanao hoe: "An'ny TOMPO aho"; ny iray hafa te hitondra ny anaran'i Jakoba. Ny anankiray kosa dia eo amin'ny sandriny no hanoratany hoe: "Fananan'ny TOMPO" sady ny anaran'i Israely no hireharehany.

lundi 28 mai 2012

Alatsinainay 28 May 2012 - Isa 48 : 9 - 11


9. Fa satria Andriamanitra Aho, dia notoneko ny fahatezerako ary ho fitandroako ny voninahitro, dia nanda tsy handringana anareo Aho. 10. Indro nosedraiko ianareo, nefa tsy tamin'ny afo toy ny fanao amin'ny volafotsy; fa tamin'ny memin'ny fahoriana no nandiovako anareo. 11. Noho ny amiko no nanaovako izany, eny, noho ny amiko ihany, satria tsy zakako velively ny hanalam-baraka ny anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

dimanche 27 mai 2012

Alahady 27 May 2012 - Jao 14 : 15 - 17


15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko. 16 Izaho koa hangataka amin'ny Ray, ary Izy no hanome anareo Mpampionona hafa mba homba anareo mandrakizay. 17 Izany Mpampionona hafa izany dia ny Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo.

samedi 26 mai 2012

Sabotsy 26 May 2012 - Mat 15 : 21 - 28


21 Dia niala teo i Jesoa ary nankany amin'ny faritanin'i Tiro sy i Sidona. 22 Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin'izany faritany izany, tonga teo amin'i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe: Mamindra fo amiko, ry Tompo, Zanak'i Davida o; fa ampahorin'ny demony mafy loatra ny zanako vavy! 23 Tsy namaly teny azy i Jesoa, ka nohatonin'ny mpianany ary nangatahany hoe: Omeo an-dramatoa io izay tadiaviny, satria miantsoantso mafy manjohy antsika izy. 24 Fa novalian'i Jesoa hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy amin'ireo ondry very, dia ny vahoaka Israely! 25 Tonga niankohoka teo anatrehan'i Jesoa anefa ravehivavy ka nanao hoe: Tompo o, ampio re aho!
26 Dia novalian'i Jesoa hoe: Tsy mety raha mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an'ny amboakely. 27 Fa hoy kosa ravehivavy: Marina izany, Tompoko, kanefa na ny amboakely aza dia mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany. 28 Tamin'izay dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe: Lehibe ny finoanao, ramatoa; aoka ho tonga aminao araka izay irinao. Ary nanomboka tamin'io ora io dia sitrana ilay zanany vavy.

vendredi 25 mai 2012

jeudi 24 mai 2012

Alakamisy 24 May 2012 - Heb 12 : 1 - 3


1 Voahodidina vavolombelona marobe tokoa ary isika; noho izany, dia aoka hanaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka ataontsika sy hanaisotra ny ota mora mangeja antsika, ary hiezaka amim-paharetana eo amin'izao fifaninanana hazakazaka naroso hataontsika izao. 2 Aoka isika hifantoka tsara amin'i Jesoa, Izay loharanon'ny finoantsika hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Niaretan'i Jesoa ny namonoana Azy teo amin'ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan'ny sezafiandrianan'Andriamanitra.
3 Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo.

mercredi 23 mai 2012

Alarobia 23 May - 2012 - I Mpan 13 : 16 - 28


16 Fa hoy izy namaly: Tsia, tsy mahazo miverin-dalana hiaraka aminao aho ary tsy mahazo mihinan-kanina na misotro rano aminao aty; 17 satria izao no tenin'ny TOMPO tamiko: Aza mihinan-kanina na misotro any, ary aza miverina amin'ny lalana efa nalehanao.
18 Fa hoy kosa ilay lahiantitra taminy: Izaho koa dia mba mpaminany toa anao ihany, ary nisy anjely nilaza tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo nandainga taminy izy. 19 Dia niverina niaraka taminy ihany ilay olon'Andriamanitra, ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony. 20 Fa raha mbola nipetraka nihinana izy roa lahy, dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'ilay mpaminany antitra nampiverin-dalana; 21 ary izy io kosa niteny mafy tamin'ilay olon'Andriamanitra avy any Joda hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Noho ianao tsy nankato ny baikon'ny TOMPO Andriamanitrao ary tsy nitandrina ny didy izay nomeny anao, 22 noho ianao niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'ny TOMPO anao hoe: 'Aza mihinan-kanina na misotro rano any', dia ho faty ianao kanefa tsy hiditra am-pasan-drazanao ny fatinao. 23 Rehefa avy nihinana sy nisotro izy roa lahy, dia nasian'ilay lahiantitra lasely ny boriky hitaingenan'ilay mpaminany voataonany hiverina teo iny. 24 Kanjo nony nandeha izy, dia sendra liona teny an-dalana ka matin'izany; ary ny fatiny dia niampatra teo amin'ny lalana, fa ny boriky sy ny liona kosa nijanona teo an-daniny sy an-kilany. 25 Rehefa hitan'ny mpandalo ny faty niampatra teo amin'ny lalana sy ny liona nijanona teo anilany, dia lasa ireo nitantara izany tany amin'ny tanana izay nipetrahan'ilay mpaminany antitra. 26 Nony nandre izany ity mpaminany nampiverin-dalana azy, dia nilaza hoe: Ilay olon'Andriamanitra tsy nankato ny baikon'ny TOMPO izay; fa natolotry ny TOMPO ho an'ny liona izy ka noviravirainy sy nataony maty araka ny teny izay nambaran'ny TOMPO taminy. 27 Avy eo dia hoy ity lahiantitra tamin'ireto zanany: Asio lasely ny borikiko! Nony voaisy lasely ny boriky, 28 dia nandeha ilay mpaminany antitra ka nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo amin'ny lalana ary ny boriky sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty ary tsy namiravira ny boriky.

mardi 22 mai 2012

Talata 22 May 2012 - Lio 13 : 6 - 9


6 Dia nanao ity fanoharana ity i Jesoa: Nisy aviavy naniry tao amin'ny tanimboalobok'ity lehilahy anankiray. Tonga izy indray mandeha nitady voa tamin'ilay hazo fa tsy nahita. 7 Ka hoy izy tamin'ny mpikarakara ny tanimboaloboka: Etsy ange! efa telo taona misesy izao no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity aho nefa tsy mahita. Kapao io, fa nahoana no mibahan-toerana foana eo? 8 Dia niteny ilay mpiasa nanao taminy hoe: Avelao ihany re izy, tompoko, amin'ity taona ity, fa hohadiko ny manodidina azy ary hasiako zezika; 9 angamba hamoa ihany izy amin'ny taona ho avy, fa hampikapainao raha tsy izany.

lundi 21 mai 2012

Alatsinainy 21 May 2012 - Isa 53 : 7 - 10


7. Nampahorina ny Mpanompon'ny TOMPO, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory, tahaka ny Zanak'ondry entina hovonoina sy tahaka ny ondrivavy eo anatrehan'ny manety azy. Eny, tsy niloa-bava akory izy. 8. Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina;ka, tamin'ireo mpiara-belona taminy, iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy. Fa nofongorana teo amin'ny tanin'ny velona izy; ary ny heloky ny mpiray firenena aminy no nikapohana azy ho faty? 9. Nokasaina hiray fasana amin'ny olon-dratsy izany Mpanompon'ny Tompo izany; kanefa teo anivon'ny mpanankarena no nandevenana azy, satria tsy nanao ratsy akory izy ary tsy nisy fitaka teo am-bavany . 10. Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena hosorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin'ny alalan'io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon'ny TOMPO.

dimanche 20 mai 2012

Alahady 20 May 2012 - I Tes 5 : 12 - 15


12 Mangataka aminareo izahay, ry havana, mba hanaja izay mikely aina eo anivonareo, dia izay voatendrin'ny Tompo hitarika sy hananatra anareo. 13 Fankatoavana be dia be ombam-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavana tsara ianareo samy ianareo. 14 Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin'ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.

samedi 19 mai 2012

Sabotsy 19 May 2012 - Mar 16 : 19 - 20


19 Ary i Jesoa Tompo, rehefa avy niteny tamin'ny 11 lahy toy izany, dia nakarina any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra. 20 Ireo mpianany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly hatraiza haraiza; ary ny Tompo dia niara-niasa taminy sy nanome hery ny teny notoriny tamin'ny alalan'ny famantarana nampombany azy.]

vendredi 18 mai 2012

Zoma 18 May 2012 - II Mpa 2 : 9 - 14


9 Rehefa samy tafita izy, dia hoy i Elia tamin'i Elisa: Angataho izay tianao hataoko aminao mialoha ny hanesorana ahy ho lavitra anao. Ary hoy i Elisa: Mba te hahazo anjara roa amin'ny fanahinao re aho. 10 Fa hoy kosa i Elia: Zava-tsarotra no angatahinao, kanefa raha voajerinao aho amin'iny hoesorina hiala aminao iny, dia ho azonao tokoa izany; fa raha tsy voajerinao kosa aho, dia tsy ho azonao izany. 11 Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elia dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any. 12 Rehefa nijery izany i Elisa, dia niantsoantso hoe: Ry dada o, ry dada o, mahery noho ireo kalesin'i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny ianao! Nony tsy hitan'i Elisa intsony i Elia, dia notriariny roa ny fitafiany. 13 Ary nalainy ny akanjobe izay nilatsaka avy teny an-tsorok'i Elia; dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jordana. 14 Noraisin'i Elisa ilay akanjoben'i Elia ka nikapohany ny rano, sady nihiaka izy hoe: Aiza ny TOMPO Andriamanitr'i Eliay Aiza Izy? Mba nikapoka ny rano koa i Elisa, dia nisaraka roa izany ary niampita izy.

jeudi 17 mai 2012

Alakamisy 17 May 2012 - Efe 4 : 1 - 10


1 Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay migadra noho ny amin'ny Tompo: manana fitondrantena mendrika ny fiantsoan'Andriamanitra anareo. 2 Manetre tena lalandava, aoka halemy fanahy sady hahari-po. Mifandefera amim-pitiavana. 3 Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo. 4 Iray ny tena ary iray ny Fanahy, toy ny maha iray ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo. 5 Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa; 6 iray Andriamanitra sady Rain'ny kristianina rehetra, manjaka amin'izy rehetra, miasa amin'ny alalan'izy rehetra ary mitoetra ao amin'izy rehetra. 7 Kanefa isika tsirairay avy dia samy nahazo fanomezana manokana arakaraka izay nomen'i Kristy. 8 Izany no ilazan'ny Soratra Masina hoe: Raha miakatra any amin'ny avo Izy, dia nitondra babo marobe, ka nanome fanomezana ho an'ny olona. 9 Inona moa no hevitry ny hoe niakatra Izy, afa-tsy hoe: efa nidina tany amin'ny fanambanin'ny tany lalina indrindra Izy. 10 Ilay nidina ihany ho Ilay niakatra any amin'ny lanitra faratampony indrindra, mba hanerana izao rehetra izao.

mercredi 16 mai 2012

Alarobia 16 May 2012 - Sal 25 : 8 - 15


8. Tsara fo sy mahitsy tokoa ny Tompo ka ny mpanota toroany lalan-kaleha, 9. ny ory tarihiny amin'ny hitsiny sady ampianariny ny sitrapony. 10. Ny torohevitra rehetra ataon'ny TOMPO dia maneho fitiavana tsy miova ho an'izay manaraka ny baiko raketin'ilay fanekem-pihavanany. 11. TOMPO o, mba ho voninahitrao, dia avelao ny heloko na lehibe aza. 12. Raha misy olona manaja ny TOMPO, dia hotoroany ny lalan-kofidina koa izy. 13. Hiaina amim-piadanana izany olona izany; ary ny taranany no handova ny tany . 14. Ireo mpanaja ny TOMPO no anehoany ny tsiambaratelony, satria ampahafantariny azy tokoa izay raketin'ny fanekem-pihavanany. 15. Banjiniko mandrakariva ny TOMPO, fa Izy ihany no hanafaka ahy amin'ny harato namandrihana ahy.

mardi 15 mai 2012

Talata 15 May 2012 - I Pet 2 : 18 - 25


18 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa. 19 Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra. 20 Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra. 21 Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; 22 "Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9); 23 raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny* ho amin'ny Mpitsara marina; [* Na: ny tenany] 24 ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5). 25 Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina* ny fanahinareo.[* Gr. Episkopo]

lundi 14 mai 2012

Alatsinainy 14 May 2012 - Gen 39 : 11 - 20


11 Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay. 12 Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano. 13 Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy, 14 dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho; 15 ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano. 16 Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano. 17 Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy; 18 ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy. 19 Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. 20 Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.

dimanche 13 mai 2012

Alahady 13 May 2012 - Mat 5 : 38 - 42


38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks. 21. 24). 39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray. 40 Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao. 41 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily* iray, mandehana miaraka aminy maily roa.[*Na: kilometatra] 42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.

samedi 12 mai 2012

Sabotsy 12 May 2012 - Oha 23 : 17 - 18


17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro; 18 Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12