lundi 12 novembre 2012
Alatsinainy 12 Novamba 2012 - Rom 13 : 8 - 10
8 Aoka tsy hananan'olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalana. 9 Satria ny hoe aza maka vadin'olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra, mbamin'ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin'ilay teny manao hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. 10 Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalana.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...