mardi 27 novembre 2012
Talata 27 Novambra 2012 - Oha 12 : 17 - 20
17. Izay milaza ny marina no manambara ny rariny; fa fitaka kosa no ambaran'ny vavolombelona mandainga. 18. Izay mitsaontsaona dia mety handratra toy ny sabatra; fa ny tenin'ny hendry kosa dia fanasitranana. 19. Ny teny marina dia mitombina hatrany; fa ny lainga kosa dia indray mipi-maso ihany. 20. Fitaka no ao am-pon'izay miteti-dratsy;fa fifaliana kosa ho an'izay misaina fihavanana.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...