lundi 26 novembre 2012
Alatsinainy 26 Novambra 2012 - I Pet 2 : 1 - 5
1 Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin'ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany. 2 Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin'Andriamanitra, mba hitomboanareo amin'izany ka hahazoanareo famonjena, 3 raha tahiny efa nandramanareo tokoa fa tsara fo ny Tompo. 4 Manatona ny Tompo ianareo, fa Izy no vato velona nolavin'ny olona, kanefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Manatona ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan'ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...