lundi 26 novembre 2012
Alatsinainy 26 Novambra 2012 - I Pet 2 : 1 - 5
1 Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin'ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany. 2 Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin'Andriamanitra, mba hitomboanareo amin'izany ka hahazoanareo famonjena, 3 raha tahiny efa nandramanareo tokoa fa tsara fo ny Tompo. 4 Manatona ny Tompo ianareo, fa Izy no vato velona nolavin'ny olona, kanefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Manatona ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan'ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy.
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...