vendredi 8 février 2013

Zoma 08 Febroary 2013 - Lio 16 : 19 - 31


19 Nisy mpanankarena anankiray nanao fitafiana tsara tarehy sady lafo vidy ary nanaram-po tamin'ny hanim-py isan'andro. 20 Nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandotra teo anoloan'ny vavahadin'ilay mpanankarena. 21 Satriny tokoa ny mba hivoky amin'ny sombintsombin-tsakafo latsaka avy amin'ny latabatr'ilay mpanankarena, saingy ny alika kosa no tonga nilelaka ny feriny. 22 Maty ilay mahantra, ka nentin'ny anjely ho eo anilan'i Abrahama; maty koa ilay mpanankarena, dia nalevina. 23 Raha ilay niferinaina tany amin'ny toeran'ny maty iny ilay mpanankarena, dia niandrandra ka tazany tery lavitra tery i Abrahama sy i Lazara teo anilany. 24 Dia niantso izy nanao hoe: Ry ikaky Abrahama o, mamindra fo amiko, iraho kely re i Lazara mba hanatsoboka ny loha fanondrony amin'ny rano hampangatsiatsiahany ny lelako, fa mijaly aho ato anaty lelafo ato. 25 Fa hoy i Abrahama hoe: Anaka, tsarovy fa ampoky ny soa ianao fahavelonao, i Lazara kosa niaritra fahoriana; ankehitriny mandray fiononana izy aty ankoatra, ary ianao kosa mijaly. 26 Sady izao koa, misy hantsam-be manelanelana antsika, hany ka izay te hiala ety hankeny aminareo tsy afa-manoatra, ary izay te hiala eny hankety aminay tsy afa-miampita. 27 Dia hoy ilay mpanankarena hoe: Miangavy anao ary aho, ry ikaky, mba iraho i Lazara ho any aminay, 28 fa misy dimy lahy iray tampo amiko any. Aoka i Lazara hananatra azy mafy, mba tsy hahatonga azy koa amin'ity toeram-pijaliana ity! 29 Fa novalian'i Abrahama hoe: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, koa aoka ireo no hohenoiny. 30 Dia hoy ilay mpanankarena: Tsy izany re, ry ikaky Abrahama, fa raha misy olona avy aty amin'ny maty miverina any aminy, dia hialan'izy dimy mirahalahy ny toe-dratsy! 31 Fa hoy i Abrahama: Raha i Mosesy sy ny mpaminany tsy henoiny, dia tsy hiaiky izy na misy olona mitsangana velona avy any amin'ny maty aza.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12