lundi 18 février 2013

Alatsinainy 18 Febroary - Mat 4 : 1 - 11


1 Ary dia notarihin'ny Fanahin'Andriamanitra hankany an-taniefitra i Jesoa, mba halain'ny devoly fanahy. 2 Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina i Jesoa, dia noana; 3 ary nohatonin'ny mpaka fanahy Izy ka nataony hoe: Raha Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, teneno ireo vato ireo hanjary mofo. 4 Fa novalian'i Jesoa hoe: Izao no voalazan'ny Soratra Masina: Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra. 5 Avy eo dia nentin'ny devoly ho any Jerosalema tanana masina i Jesoa, ka najorony teo an-tendron'ny zoron'ny tempoly 6 sady nataony hoe: Raha Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, mianjera any ambany any, fa izao no voalazan'ny Soratra Masina: Homen'ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao, ka ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao. 7 Fa hoy i Jesoa taminy: Izao koa no voalazan'ny Soratra Masina: Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao. 8 Ary nentin'ny devoly ho any amin'ny tendrombohitra avo dia avo indray i Jesoa, ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra eo amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny 9 sady nataony hoe: Homeko Anao avokoa ireo, raha miankohoka eto anoloako Ianao ho fanajana ahy! 10 Tamin'izay dia hoy i Jesoa taminy: Miala, ry Satana, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery no hivavahanao! 11 Izay vao nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy anjely tonga teo amin'i Jesoa ka nanompo Azy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12