113. Halako ny olona miroa saina, fa ny lalananao kosa no tiako.
114. Ianao no fiereko sy ampingako; ny teninao no antenaiko.
115. Miala amiko, ianareo mpanao ratsy, hanarahako ny didin'Andriamanitra.
116. Tohany araka ny fampanantenanao aho ho velona; aoka tsy hataonao diso fanantenana!
117. Tohany hatrany aho mba ho voavonjy; ny lalananao no firavoako lalandava.
118. Izay rehetra miala amin'ny lalananao aetrinao, satria ny lainga no teti-dratsy ao an-tsainy.
119. Ny olon-dratsy eran-tany taim-by fanarinao: izany no itiavako ny baikonao.
120. Mihorohoro ny nofoko noho ny aminao, fa atahorako tokoa ny fitsipikao.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...