mercredi 24 avril 2013
Alarobia 24 Aprily 2013 - Deo 33 : 26 - 29
26Dia hoy koa i Mosesy hoe: «Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an'ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon'ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao. 27Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana; ny heriny, hatrany hatrany, no miasa etỳ ambany etỳ. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ary mandidy anao handringana an'ireo. 28Mandry feizay ny Israelita; monina milamina ny taranak'i Jakôba eo amin'ny tany be vary sy divay, tany izay ipariahan'ny andon'ny lanitra. 29Sambatra ianareo, ry Israelita! Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin'ny TOMPO? Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo. Hikoy aminareo ny fahavalonareo, ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...