samedi 13 avril 2013

Sabotsy 13 Aprily 2013 - Deo 1 : 19 - 33

19 Dia niala tany Hôreba* isika, araka ny nandidian'ny TOMPO Andriamanitsika; ary nandeha isika namaky ilay taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay hitanareo teny an-dalana mankany amin'ny faritra havoana onenan'ny Amôrita*. Rehefa mby tao Kadesy-Barnea isika,20 dia hoy aho taminareo; «Efa tonga eto amin'ny faritra havoana onenan'ny Amôrita ianareo, faritra izay omen'ny TOMPO Andriamanitsika ho antsika. 21 Indro ataon'ny TOMPO Andriamanitrareo eo anoloanareo izany tany izany; iakaro izy ka alao ho fanananareo, araka izay nampanantenain'ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo. Aza matahotra na mivadi-po akory!» 22 Dia nohatoninareo rehetra aho ka nilazanareo hoe: «Aoka isika haniraka olona hialoha antsika mba hisafo ny tany; dia hanao tatitra ho antsika ireo ka hilaza ny lalana tokony hiakarantsika sy ny tanàna izay hivantanantsika.»23 Sitrako izany teny izany, ka dia nifidy 12 lahy teo aminareo aho, iray avy isam-poko. 24 Ary niainga ireo ka niakatra ny faritra havoana, dia tonga tao amin'ny hadilalana Eskôla ary nisafo azy. 25 Nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika; ary izao no tatitra nataony ho antsika: «Soa ny tany omen'ny TOMPO Andriamanitsika ho antsika.» 26 Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin'ny TOMPO Andriamanitrareo. 27 Nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: «Noho isika halan'ny TOMPO no nitondrany antsika hiala tany Ejipta. Te hanolotra antsika eo an-tanan'ny Amôrita Izy mba handringanana antsika. 28 Aiza ity hiakarantsika? Mpiray firenena amintsika no efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Vaventy sy ranjanana noho isika ny olona monina ao; ny tanàna dia lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay tao aza ny taranak'i Hanàka!» 29 Dia hoy aho taminareo: «Aza manahy, ary aza matahotra azy! 30 Ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay mandeha eo alohanareo, no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo teo imasonareo tany Ejipta 31 sy tatỳ an-taniefitra; efa hitanareo fa nentin'ny TOMPO Andriamanitrareo tahaka ny fitòndran'ny olona ny zanany ianareo, tany amin'ny lalana rehetra nalehanareo, mandra-pahatonganareo amin'ity toerana ity.» 32 Ary, tamin'izany toe-javatra izany, dia tsy ninoanareo ny TOMPO Andriamanitrareo. 33 Kanefa Izy no nandeha teo alohanareo teny an-dalana mba hitady toerana hitobianareo; ka ny afo nony alina ary ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12