mardi 23 avril 2013
Talata 23 Aprily 2013 - Mat 12 : 15 - 21
15Nony nahalala izany i Jesoa, dia niala teo amin'io toerana io; ary vahoaka maro no nanaraka Azy. Nositranin'i Jesoa avokoa ny marary rehetra, 16saingy noteneniny mafy hoe: «Aza manao izay hahafantarana Ahy.» 17Koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaià mpaminany* hoe: 18«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, ilay Malalako Izay sitrako. Ny Fanahiko hapetrako eo aminy, ka hambaran'ny Mpanompoko amin'ireo firenena ny rariny. 19Tsy hifanditra aman'olona Izy na hihorakoraka, ary tsy handrenesana ny feony eny an-dalambe. 20Ny volotara folaka tsy hotapahiny, ny lahin-jiro manetona tsy hovonoiny, ambara-pahazoan'ny Mpanompoko fandresena ho an'ny rariny. 21Ary Izy no hitokian'ireo firenena.»
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...