mardi 19 novembre 2013

Talata 19 Novambra 2013 - Lio 14 : 15 - 24

15Nandre izany ny anankiray tamin'ireo mpiara-misakafo teo ka niteny tamin'i Jesoa hoe:
–Sambatra izay handray anjara amin'ilay fanasambe any amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*!

16Dia hoy i Jesoa taminy:
–Nanao fanasambe ity olona anankiray ka maro no nasainy. 17Nony fotoana fisakafoana, dia nirahiny ny mpiasany hilaza amin'ireo nasaina hoe: «Tongava, tompoko, fa efa vonona ny sakafo.» 18Samy rafitra niala tsiny avokoa anefa izy rehetra. Ka hoy ny voalohany tamin'ilay mpiasa: «Misy saha vao novidiko izay, ka tsy maintsy handeha hijery azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!» 19Hoy kosa ny faharoa: «Misy omby folo vao novidiko izay, ka handeha hizaha azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!» 20Ary hoy indray ny fahatelo: «Vao avy nampaka-bady aho, ka noho izany tsy afaka mankany.» 21Dia niverina ilay mpiasa ka nanambara izany tamin'ny tompony. Nisafoaka ilay tompom-panasana ka nanao tamin'ilay mpiasa hoe: «Mandehana faingana ianao mankeny amin'ireo kianja sy araben'ny tanàna, ka ampandrosoy atỳ ny mahantra sy ny kilemaina mbamin'ny jamba sy ny mandringa.» 22Tsy ampy toy inona, dia hoy ilay mpiasa hoe: «Vita, tompoko, izay nodidianao hatao, kanefa mbola misy toerana ihany.» 23Ary hoy ny tompom-panasana tamin'ilay mpiasany: «Ny lalan-kely sy ny sisim-boly indray àry aleha, ka ataovy izay hidiran'ny olona atỳ mba ho feno ny tranoko!»

24Dia ireo nasaina tonga no nitenenan'ny tompom-panasana hoe: Eny, lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafoko ireo olona nasaina voalohany ireo na dia iray aza!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12