vendredi 29 novembre 2013
Zoma 29 Novambra 2013 - Jak 1 : 22 - 25
22Aoka ianareo ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, ka mamita-tena. 23Satria raha misy olona mpihaino ny teny, nefa tsy mpanatanteraka, dia tahaka ny mijery ny tarehiny ao anaty fitaratra: 24eny, mahita ny tena endriny izy, dia lasa ka hadinony miaraka amin'izay ny toe-tarehiny. 25Fa izay fatra-pandinika ny lalàna* lavorary, dia ny lalàna mitondra fahafahana, ka maharitra amin'izany ary tsy ho mpihaino manadino fa mpanatanteraka an'asa, dia ho sambatra izy amin'izay asa tanterahiny.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...