jeudi 10 juillet 2014
Alakamisy 10 Jolay 2014 - Gal 3 : 6 - 9
6Izao no voalazan'ny Soratra Masina*: «Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany!» 7Koa fantaro fa izay velona noho ny finoana no tena zanak'i Abrahama. 8Tsinjon'ny Soratra Masina rahateo fa ny finoana no hankatoavan'Andriamanitra ny hafa firenena* ho marina; noho izany, dia nambaran'ny Soratra Masina mialoha tamin'i Abrahama izao hafatra mahafaly izao: «Ao aminao no hombàn'Andriamanitra fitahiana ny firenen-drehetra!» 9Nino i Abrahama ary nomban'Andriamanitra fitahiana; ary izay velona noho ny finoana dia hombàn'Andriamanitra fitahiana tahaka azy koa.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...