1Tamin'ny taona faha-15 nanjakan'ny amperôra Tibèry –fony i Pônty Pilato* no nifehy an'i Jodea, i Herôda* no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakônitida, i Lisania no nanjaka tao Abilèna, 2ary i Hàna mbamin'i Kaiàfa no mpisorombe* – dia tonga tamin'i Jôhany zanakalahin'i Zakarià tany an-taniefitra ny tenin'Andriamanitra. 3Dia lasa i Jôhany nitety ny faritany manontolo amoron'ny ony Jôrdàna sady nanao antso avo hoe:
–Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan'Andriamanitra ny helokareo.
4Izany dia araka ny voalazan'ny Soratra Masina* ao amin'ny boky mirakitra ny tenin'i Isaià mpaminany* hoe:
«Injany misy feon'olona miantso mafy any an-taniefitra hoe:
Amboary ny lalan'ny Tompo;
ahitsio ny hizorany.
5Ny lohasaha rehetra hototofana;
ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry.
Ny miolakolaka hahitsy
ary ny mikitoantoana harenina:
6dia ho hitan'ny olombelona rehetra ny famonjena avy
amin'Andriamanitra!»