vendredi 25 septembre 2015
Zoma 25 Septambra 2015 - I Kor 16 : 1 - 4
1Momba ny famoriam-bola atao ho an'ny vahoakan'Andriamanitra any Jerosalema, dia izao: mba manaova koa ianareo, araka ireo fepetra nasaiko narahin'ny Fiangonana rehetra any Galatia. 2Isan'alahady dia samia mba manokana vola ao aminy avy arakaraka izay vola miditra ka hitahiry izany, mba tsy hilaina intsony ny hamoriam-bola amin'ny fahatongavako. 3Ary rehefa tonga aho, dia izay olona sitrakareo no hirahiko sy hampombaiko taratasy mba hitondra ny fanomezanareo hankany Jerosalema. 4Raha ilaina moa ny handehanako any, dia hiara-dia izahay.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...