25Ary indro tamy ity mpahay lalàna* anankiray ka nanao fanontaniana fandrika tamin'i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay?
26Fa hoy i Jesoa taminy:
–Inona no voalazan'ny Soratra Masina* ao amin'ny lalàna*? Ahoana no fandraisanao ny heviny raha vakînao?
27Dia novaliany hoe:
–«Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo, amin'ny herinao manontolo ary amin'ny sainao manontolo.» Ary koa: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.»
28Dia hoy i Jesoa taminy:
–Tsara ny valin-teninao. Ataovy izany, dia ho velona ianao!
29Te hanamarin-tena anefa ilay mpahay lalàna ka nanontany an'i Jesoa hoe:
–Fa iza moa no namako?
30Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Nisy lehilahy nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, nasian'ny jiolahy ka nendahany fitafiana sy nodarofany kapoka; ary efa saika maty ralehilahy vao nilaozan'ireo jiolahy nandositra. 31Sendra nisy mpisorona nidina tamin'izany lalana izany; fa nony nahatazana an-dralehilahy izy, dia nidify lalana nandalo fotsiny. 32Toy izany koa no nataon'ity levita* anankiray; tonga teo amin'ilay toerana izy, nahatazana an-dralehilahy ary nidify lalana nandalo fotsiny. 33Nisy kosa Samaritanina* nivahiny tonga teo amin'ity tra-boina ary onena tokoa nahita azy. 34Nohatonin'ilay Samaritanina izy ka nofeheziny ny feriny sady nandrarahany diloilo sy divay; avy eo dia natainginy teo amin'ny ampondrany ralehilahy ary nentiny tany an-tranombahiny ka nokarakarainy tao. 35Ny ampitson'iny, notolorany vola denàry* anankiroa ny tompon-trano sady nataony hoe: «Karakarao ity olona ity; ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireto, dia honerako rehefa miverina aho.»
36Dia nanontanian'i Jesoa ity mpahay lalàna nataony hoe:
–Iza tamin'izy telo lahy ireo, araka ny hevitrao, no nanjary naman'ilay nasian'ny jiolahy?
37Dia novaliany hoe:
–Ilay niantra azy.
Dia hoy i Jesoa taminy:
–Ndeha àry, ka mba manaova torak'izany koa!