mercredi 16 septembre 2015
Alarobia 16 Septambra 2015 - I Kor 9 : 19 - 23
19Olona tsy mpanompon'iza na iza tokoa aho, kanefa dia nilatsaka ho mpanompon'ny olona rehetra hahazoako maro araka izay tratra. 20Tamin'ireo Jiosy, dia nanao tahaka ny Jiosy aho hahazoako azy ireo; na dia olona tsy fehezin'ny lalànan'i Mosesy intsony aza aho, dia nanao tahaka ireo fehezin'ny lalàna hahazoako azy ireo. 21Tamin'ireo tsy mahalala ny lalànan'i Mosesy, dia nanao tahaka ireo tsy mahalala io lalàna io aho hahazoako azy ireo; tsy hoe tsy fehezin'ny lalànan'Andriamanitra aho, fa manoa ny lalànan'i Kristy. 22Tamin'ireo malemy finoana, dia nanao tahaka ny malemy aho hahazoako azy ireo. Amin'ny olona rehetra, dia efa tonga zavatra rehetra aho hamonjeko mihitsy ny sasany. 23Izany rehetra izany dia ataoko noho ny Vaovao Mahafaly mba hahatonga ahy ho mpiombona anjara amin'ny soa ampanantenainy.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1 Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha. ALEFA 2 Hisaotra ny TOMP...