samedi 4 juin 2016
Sabotsy 04 Jona 2016 - Asa 5 : 12 - 16
12 Famantarana* sy zava-mahagaga maro no vitan'ny apôstôly* teo amin'ny vahoaka. Niray fo ny mpino rehetra nivory teo amin'ny lala-mitafon'i Salômôna*, 13ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana taminy, kanefa nataon'ny vahoaka tsara laza izy ireo. 14Ary vao mainka marobe ny lehilahy amam-behivavy mpino ny Tompo ka nanatevin-daharana an-dry zareo. 15Nentin'ny olona teny amin'ny arabe aza ny marary ka napetrany teo ambony fandriana na tsihy mba hisy hiantefan'ny tandindon'i Petera ahay, raha sendra nandalo izy. 16Nisy vahoaka marobe koa, avy amin'ny tanàna manodidina an'i Jerosalema, nirohotra nitondra ny marary sy izay ampahorîn'ny fanahy maloto*, ary dia sitrana avokoa ireo.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...