–Tompo ô, mamindrà fo amin'ny zanako lahy! Mararin'ny androbe izy ka mijaly tokoa, fa matetika mianjera any anaty afo na any anaty rano. 16Efa nentiko teo amin'ireo mpianatrao*, saingy tsy nahasitrana azy ry zareo.
17Dia hoy i Jesoa:
–Karazan'olona tsy mino sady be siasia ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!

18Dia notenenin'i Jesoa mafy ny demony ka niala tamin'ilay zaza; ary sitrana razazalahy nanomboka hatramin'io ora io.
19Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa manokana ireto mpianatra ka nanontany Azy hoe:
–Nahoana izahay no tsy naharoaka iny demony iny?

20Dia hoy i Jesoa taminy:
–Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ», dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.