mardi 18 octobre 2016

Talata 18 Oktobra 2016 - Eks 39 : 32 - 43

32Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana*. Araka izay rehetra nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy no nanatanterahan'ny Israelita izany.
33Nentin'ny Israelita tany amin'i Mosesy avokoa ny zavatra momba ny fonena-masina, dia:
–ny tranolay sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy toy ny farango, ny hazo fisaka, ny barany, ny andry ary ny faladiany;
34–ny sarona vita amin'ny hoditr'ondry miloko mena, ny sarona vita amin'ny hoditra mafy sy ny efitra lamba fanasarahana;
35–ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana*, miaraka amin'ny baony sy ny sarony;
36–ny latabatra voatokana sy ny baony ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy mbamin'ny mofo fanolotra ho an'Andriamanitra;
37–ny fitoeran-jiro miaraka amin'ireo jirony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny solika fandrehitra;
38–ny alitara* volamena, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana;
–ny varavarana lamba eo amin'ny fidirana amin'ny tranolay;
39–ny alitara halimo sy ny makarakarany halimo, ny baony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy;
–ny kovetabe fidiovana sy ny faladiany;
40–ny temitry ny kianja miaraka amin'ny andriny sy ny faladiany, ny varavarana lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja, miaraka amin'ny tadiny sy ny tsîmatra;
–ny fitaovana rehetra fampiasa amin'ny raharaha ao amin'ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana;
41–ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin'ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan'i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.

42Notanterahin'ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy. 43Koa rehefa hitan'i Mosesy fa vita araka izay nandidian'ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano* ny Israelita izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12