mercredi 12 octobre 2016

Alarobia 12 Oktobra 2016 - Efe 6 : 14 - 22

14Koa mamahara tsara hatrany ianareo: ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra; 15ny fahavononan-kitory ny Vaovao Mahafaly* mampihavana no ataovy toy ny kiraro eny an-tongotrareo; 16tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipîka mirehitra rehetra alefan'ilay Ratsy*; 17raiso ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha, ary raiso ny tenin'Andriamanitra ho toy ny sabatra omen'ny Fanahy Masina. 18Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian'Andriamanitra amin'izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan'ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin'io tanjona io, ary dia mivavaha ho an'ny vahoakan'Andriamanitra* rehetra. 19Mivavaha ho ahy koa mba homen'Andriamanitra ny teny hotononiko rehefa hiloa-bava aho, ka dia ho sahy hampahafantatra ny tsiambaratelo raketin'ny Vaovao Mahafaly. 20Iraka mitondra izany Vaovao Mahafaly izany aho, na dia migadra aza ankehitriny; koa mivavaha ho ahy mba hilazako izany amim-pahasahiana, araka ny tokony hoteneniko.

21I Tisiko, hava-malalantsika sady mpanompo mahatoky eo amin'ny asan'ny Tompo, dia hampahafantatra anareo ny vaovao rehetra, mba hahalalanareo ny mahazo ahy sy izay ataoko. 22Izany indrindra no andefasako azy ho atỳ aminareo, mba hahafantaranareo ny momba anay sy hampahery fo anareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12