mardi 11 octobre 2016

Talata 11 Oktobra 2016 - Oha 31 : 10 - 31

ALEFA
                10Iza no mahita vehivavy mahavatra?
                Fa ny hasarobidiny dia mihoatra noho ny perla.
BETA
                11Matoky azy tanteraka ny vadiny,
                satria tsy mandanilany fananana izy.
GIMELA
                12Tsy manao ratsy aminy ravehivavy
                fa manao izay hahasambatra azy kosa
                mandritra ny andro rehetra iainany.
DALETA
                13Mitady volon'ondry sy kiran-drongony izy
                ary miasa araka ny fahakingan'ny tanany.
HE
                14Tahaka ny sambon'ny mpandranto izy
                ka mitondra ny haniny avy lavitra.
VAO
                15Mifoha mbola maizina izy,
                ka mikarakara ny sakafon'ny ankohonany
                sy mitsinjara ny asan'ny mpanompovaviny.
ZAINA
                16Mandinika tsara izy vao mividy saha
                ary mamboly voaloboka amin'ny tombontsoa azony.
PETA
                17Misikina herimpo izy
                fa tsy mba miraviravy tanana.
TETA
                18Tsapany ny fandrosoan'ny raharahany
                ka tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
JODA
                19Miasa mamoly volon'ondry ny tanany
                ary manenona lamba ny rantsan-tanany.
KAFA
                20Manatsotra ny tanany amin'ny ory izy
                ary malala-tanana amin'ny mahantra.
LAMEDA
                21Tsy ahiany amin'izay oram-panala ny ankohonany,
                fa voatafy mafana avokoa ny ao an-tranony.
MEMA
                22Manao firakotra ho an'ny tenany izy;
                ny fitafiany dia rongony fotsy sy volomparasy.
NONA
                23Hajaina ny vadiny rehefa mivory eo am-bavahady
                ka miara-midinika amin'ireo loholon'ny tanàna.
SAMEKA
                24Manao akanjo izy ka mivarotra izany;
                mandafo fehikibo amin'ny mpandranto koa izy.
HAINA
                25Hery sy haja no iravahany;
                ary tsy mahataitra azy ny hoavy.
PE
                26Miteny amim-pahendrena izy
                ary manoro hevitra amim-pitiavana.
TSADE
                27Manara-maso izay fizotry ny ankohonany izy
                ka tsy malaina manomana ny sakafo hohaniny.
KÔFA
                28Ny zanany miara-miantso azy hoe sambatra,
                ary ny vadiny midera azy manao hoe:
RESA
                29«Maro ny vehivavy miseho ho mahavatra,
                fa manoatra noho izy rehetra ianao.»
SINA
                30Mamitaka ny bika ary mandalo ny hatsaran-tarehy;
                fa ny vehivavy manaja ny TOMPO ihany no hoderaina.
TAO
                31Hanomezam-pankasitrahana azy anie ny tombontsoa azony
                ary hideran'ny besinimaro azy anie ny zava-bitany!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12