mercredi 9 novembre 2016
Alarobia 09 Novambra - Mat 10 : 40 - 42
40–Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy. 41Izay mandray mpaminanin*'Andriamanitra noho izy mpaminanin'Andriamanitra dia hahazo valisoana mpaminanin'Andriamanitra; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina dia hahazo valisoan'olo-marina; 42ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran'ny kaopy ihany aza, hosotroin'ny anankiray amin'ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...