dimanche 20 novembre 2016

Alahady 20 Novambra 2016 - Fil 4 : 15 - 23

15Fantatrareo koa, ry Filipianina, fa nony niala tany Masedônia aho, tamin'ny fotoana niandohan'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly*, dia ianareo no hany Fiangonana nanampy ahy ka nanana kaontin'ny miditra sy mivoaka nifanaovana tamiko. 16Fony aho mbola tany Tesalônika, dia efa indray mandeha amana indroa no nandefasanareo izay nilaiko. 17Tsy hoe mitady fanomezana aho no milaza izany, fa mitady ny vokatra hiavosa ao amin'ny kaontin'ny miditra ho anareo. 18Eny, manana ny zavatra rehetra ilaiko aho izao sady manana amby ampy; efa voaraiko tamin'i Epafrôdito ny fanomezana avy aminareo, ka heni-tsoa mitafotafo aho. Izany fanomezanareo izany dia toy ny zava-manitra mamerovero atao sorona ka raisin'Andriamanitra sady ankasitrahiny. 19Fa Andriamanitro kosa hanome mitafotafo izay rehetra ilainareo araka ny harena heni-boninahitra atolony ao amin'i Kristy Jesoa. 20Ho an'ilay Andriamanitra sady Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen*.

21Veloma any amin'izay rehetra isan'ny vahoakan'Andriamanitra* ka tafaray amin'i Kristy* Jesoa. Manao veloma anareo ny havana iray finoana, izay tafaraka amiko; 22manao veloma anareo ny vahoakan'Andriamanitra rehetra eto, fa indrindra ry zareo ao an-dapan'ny amperôra.

23Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12