mardi 29 novembre 2016

Talata 29 Novambra 2016 - Lio 19 : 11 - 28

11Raha mbola nihaino izany teo ny olona, dia nanaovan'i Jesoa fanoharana* indray. Akaiky an'i Jerosalema manko Izy tamin'izay ka noheverin'ny olona fa efa nadiva hiseho ny Fanjakàn'Andriamanitra*. 12Toy izao àry ny tenin'i Jesoa:

–Lasa tany an-tany lavitra ity andriandahy anankiray handray ny fahefana hanjaka, dia hiverina. 13Niantsoany folo lahy ny mpanompony talohan'ny hiaingany, ka samy nomeny denàry* zato avy sady nataony hoe: «Ampiasao ireny mandra-piveriko.» 14Hàlan'ny mpiray tanindrazana aminy kosa ilay andriandahy ka nandefasany iraka nanaraka azy hilaza hoe: «Tsy mila iny lehilahy iny ho mpanjaka izahay.»

15Rehefa nahazo ny fahefana hanjaka izy, dia nody an-tanindrazana ary nampiantso an'ireo nomeny vola mba hahalalany izay tombony azony avy. 16Niseho ilay voalohany ka nilaza hoe: «Nahazo denàry arivo, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy!» 17Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara; nahatoky tamin'ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra tanàna folo.» 18Tonga ny faharoa ka nanao hoe: «Namokatra denàry dimanjato, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy!» 19Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Ianao indray dia tendreko hiandraikitra tanàna dimy.» 20Tonga kosa ny anankiray hafa ka nanao hoe: «Intỳ, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy, fa nataoko tsara tahiry tanaty mosara. 21Natahotra anao manko aho, satria lehilahy sarotiny ianao, ka maka izay tsy napetrakao ary mijinja izay tsy nafafinao.» 22Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Mpanompo ratsy fanahy raha ianao! Ny teninao no itsarako anao: fantatrao fa lehilahy sarotiny aho, maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko; 23koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin'ny banky ny volako, ka ho noraisiko mbamin'ny zana-bola rehefa tafaverina aho?» 24Ary hoy ny mpanjaka tamin'izay nanatrika teo: «Alao ny denàry zato eny aminy ka omeo an'ilay nahazo denàry arivo!» 25Dia hoy ireo tamin'ny mpanjaka: «Ka efa manana denàry arivo anie izy, tompoko!» 26Fa novaliany hoe: «Lazaiko aminareo fa izay rehetra manana no homena hatrany; ary izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy. 27Fa iretsy fahavaloko tsy nanaiky hanjakako iretsy, dia ento atỳ ka vonoy eto anatrehako!»

28Nony avy niteny izany i Jesoa, dia nitarika ny dia hiakatra ho any Jerosalema.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12